EDITO 29 Novambra – Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny tsy fandriampahalemana

Isambilo

Tsy misy tsy mikaikaika amin’ny tsy fandriampahalemana amin’izao fotoana ny eto amintsika, tsy ambanivohitra, tsy an-drenivohitra, fa tena mampiteny ny moana izany tsy filaminana izany eto amintsika. Vao tsy ela izay ny depioten’i Morondava, ny mpanakanto Tsiliva, no niantso ny tompon’andraikitra hatrany an-tampony, niantso azy ireo, hijery akaiky ity resaka tsy fandriampahalemana ity.

Mikasika izay antso nataon’ny depiote Tsiliva izay, tsy vitsy ireo nanakiana azy, sy ireo tompon’andraikitra any Menabe momba ity raharaha ity, satria rehefa hitsena kopi-kole Rajoelina ny mpitandro filaminana any an-toerana dia mahita solika nandehanana, fa rehefa ny vahoaka tratran’ny tranga fanafihana no miantso dia voalaza fa tsy misy solika ireo mpitandro filaminana ireo.

Nampakapeo noho izay resaka tsy fandriampahalemana izay ihany koa vao omaly, ny mpanao gazety any Morondava faritra Menabe, noho ny tsy fandriampahalemana amin’ny endriny hafa kosa indray, mpitandro filaminana nanampatra fahefana sy herisetra tamina mpanao gazety tany an-toerana. Toherina tanteraka hoy izy ireo ny tranga toy izany, na inona na inona mety ho hadisoana nataon’ilay mpampita vaovao manao ny asany.

Noho izay halatra, fanafihana mitam-piadiana, vonoan’olona, izay mahazo vahana ihany koa tany Toamasina faritra Atsinanana tato ho ato, nijoro nampakapeo sy nanaitra ireo tompon’andraikitra koa ireo mpanao gazety any Toamasina, mivondrona ao amin’ny AJT. Tsy hisy fampandrosoana sy fitonian-tsaina ny vahoaka raha tsy misy ny fandriampahelamana, noho izany tokony himasoan’ireo mpitandro filaminana ny maha tandroka aron’ny vozona azy ireo, sy ny maha mpiaro ny vahoaka sy ny fananany azy ireo.