MANANGANA MPAMONO AFO ?

Roso indray ny vonoafo izay fanaon-dry maizin-tsaina,
Fa miharatsy ny tantara, akaiky ny fialàny aina,
Ka atsangana daholo ireo karazam-pikambanana,
Hanohanana andry boboka mialoha ny fifidianana!

Toa fanamafisam-peo efa manomboka ho simba,
Sy efa tena mikasaoka ny an’i Veta sy Vazimba,
Ka dia nampiasaina indray ny fomba ratsy tena ambany
Toy ny famafazam-bola raha mitety faritany!

Ilay “kopikole” najoro ho solon’ilay “tena izy”,
No amitahana vahoaka, sy androbohana ny ankizy.
Ny entina mba hampifaly dia “ny tsy izy” sy “ny hosoka”.
Azo antoka indray fa hisy lisitra vorosoka!

Dia fohazina daholo mba hiverina ao an-tsaina
Ireo rehetra izay tsy vita nefa mbola hoe kasaina.
Toy ny te hiampanga tena ireo tsy misy kalitao
Fa hoe nandritry ny efa-taona: hagegena no natao.

Iza izany ireo nandrehitra, no hoe hamono afo indray?
F’angaha tsy hoe ‘nareo ihany dia ‘nareo miseho milay?
…Voaporofo ankehitriny: main’ny afo izay natsangany,
Ny mpitondra ankehitriny mihevi-tena fa hoe sangany!

DADAN’i RIANA (24-11-22)