Transparency International – Tokony havoakany amin’izay ny atidohaben’ny mpanao kolikoly

Ny Valosoa

Namono biby tsy nahafaty, izay no azo ilazana ny Gel “Groupe des Exportateurs des Letchis”, nitory ny “Transparency International Initiative Madagascar” na “TI-IM” izay nolazain’ny Gel, fa namoaka vaovao tsy marina hono, raha nanatsikafona ny fisian’ny kolikoly amin’ny fanondranana “letchis”.

Nampanantsoina teny amin’ny mpitandro filaminana mpanao fanadihadiana momba ny heloka ara-toekarena Ramatoa Rafitoson Ketakandriana Tale mpanatanteraka ao amin’ny “TI-IM”, niaraka tamin’ Andriamatoa Rakotomalala Dominique Filohan’ny Filankevimpitantanan’ny “TI- IM”, efa tonga hatramin’ny fampiakarana tany amin’ny fampanoavana ny raharaha, saingy niara-nitrerona ireo masoivoho avy amin’ireo firenendehibe sy ireo fikambanana iraisampirenena ary ireo mpitarika politika goavana toy ny Filoha Marc Ravalomanana sy ny Filoha Rivo Rakotovao niampy ireo firaisamonina sivily marobe dia voatery tsy maintsy nihemotra ny fitsarana, ary hatramin’izao dia tsy mbola voafaritra ny fotoana hanaovana azy, sady tsy nambara koa hoe rava ny fitoriana, tsy nandrenesampeo ihany koa ny olon’ny fitondrana fa dia nimaona toy ny trondro, afa tsy ilay Ramatoa mpanao vavan’ny maty andrano.

Ny azo antoka aloha dia ampanginina moramora toy ny fitoriana nataon’ny Dr Ramasomanana Ravo Nambinina, sy ny fisian’ny “doublons” nambaran’i Thierry Rakotonarivo, ary koa ny raharaha “Ecrant plat” sy “ Bonbons sucettes” miampy ny tatitra navoakan’ny “ cours des comptes“ momba ny fandaniambola tsy mazava tamin’ny aretina koronaviriosy izao fanenjehana izao. Ny resaka fitondrana hazo tsy aradalana tany Alaotra Mangoro moa dia Ramatoa Filohan’ny Antenimierampirenena mihitsy no nampiakapeo nilaza ny hoe izay tsy nanota taminareo hono no tokony hitora-bato an’i “Lanto Palissandre”.

Etsy ankilany anefa dia tazonina amponja noho ny fanehoankevitra nataony ry Berija, Rollly Mercia, Mahery Lanto Manandafy, Beary Marcellin sns,ny eo anivon’ny fitondrana anefa dia maro ireo mitsaontsaombava amin’ny tsy marina, kanefa dia tsy misy mpikitika.

Tsy tokony ho vitavita moramora amin’ny hoe fanafoanana ny fitsarana ny resaka, fa rehefa natomboka dia tokony ho tohizana hatramin’ny farany, ilaina avoaka mazava ny hoe nisy marina ve ny kolikoly tao amin’ny “Gel”, ary raha nisy dia Iza no nanao azy? ka ny “TI-IM “ sy ireo firaisamonina sivily no manana adidy amin’izany, miandrandra ny fahasahiana avy amin’ireo firaisamonina sivily ireo ny vahoaka, ka raha sanatria tsy hiroso amin’izany izy ireo dia alaimpanahy ny vahoaka hieritreritra hoe mpiray tsikombakomba na nahazo kely tany amin’ny mpitondra.

Efa manao tsipakin’ny miala aina ny fihetsik’ireo mpomba ny fitondrana, satria araka ny nambara tetsy aloha dia namono biby tsy nahafaty ka tsy maintsy ifoteran’ny rambony, ny “Transparency International” arak’izany anarany izany dia rariny raha mampiseho mibaribary ny antsoina hoe “transparence “ na ny fangaraharana tanteraka, ny anjaran’ny vahoaka na ny ireo any amin’ny fiarahamonina na ireo any amin’ny minisitera sy ambaratongampahefana samihafa, dia tokony ho mailo tanteraka na “vigilent “ amin’ny fanarahamaso ny fihetsik’ireo mpitondra efa tsy ho ela dia “lera”, satria ny mpibaiko ny mpitondra no niala maina tany amin’ny fitsarana noho ny fahendren’ny fianakaviambe iraisampirenena sy ireo mpitarika politika tia tanindrazana.

Andrasan’ny rehetra ny tena hivoahan’ny anaran’ny atidohaben’ny mpanao kolikoly, indrindra amin’ity resaka letchi ity aloha. Ny depiote Roland Ratsiraka dia efa nanatsidika an’izay, fa ny mpandraharaha Mamy Ravatomanga no tena ao ambadik’izany, mifehy ity sehatra fanondarana vokatra fanondrana ity. Ho sahy hamotsipotsitra an’izany amin’izay ve ny TI-IM? Tantara mitohy io.