Fanatsarana ny fifidianana ho avy – Vonona hiara-miasa amin’ny mpiara-miombon’antoka Ravalo

Isambilo

Nofaranana tamin’ny fomba ofisialy ny alakamisy teo, teny amin’ny tranon’ny Masoivohon’i Japon monina sy miasa eto amintsika, ny fanamarihana ny faha-60 taona ny fifandraisan’i Madagasikara sy Japon. Olo-manakaja maro eto amin’ny firenena no niatrika izany, anisan’izany ny filoha Marc Ravalomanana, filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, sady filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), teo ihany koa ny solontenan’ny mpitondra eto amin’ny firenena ankehitriny, mpanao politika maro, na avy amin’ny fanoherana, na ny avy amin’ny fitondrana, ireo avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, sy ny maro hafa,…

Nisy ny tafa fohy tamin’ny mpanao gazety nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, naneho hevitra mahakasika ny raharaha nitorian’ny GEL ny mpitarika ny Transparency International izy tamin’io fotoana io. Nambarany fa : “manohitra ny fampihorohoroana atao amin’ireo sahy mijoro amin’ny marina aho. Manentana antsika hiray feo amin’ny Transparency International Madagascar amin’izao ady ataony hanoherana ny kolikoly izao.” Loza hoy i Dada izao antsojay natao tamin’i Ketakandriana Rafitoson sy Dominique Rakotomalala, mpitarika ny Transparency International eto amintsika izao. Porofon’izany ihany koa ny fanamelohana nataon’ny fianakaviambe iraisam-pirenena eto amintsika momba ity raharaha ity, anisan’ny nanao izany fanamelohana izany i Etazonia, Grande Bretagne, ny Vondrona Eoropeana, i Frantsa, i Norvège,…

Fa omaly, nihaona tamin’ireo iraky ny SADC (Southern Africa Development Community) ny filoha Marc Ravalomanana. Nanao tomban’ezaka izy ireo mikasika ireo fifidianana filohampirenena 2019, sy ny fifidianana depiote 2019. Vonona ny filoha Ravalomanana hiara-miasa amin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatsarana ny fifidianana ho avy.