Tompon’ny tany Analamalotra Toamasina II – Hanohitra hatrany ny herisetra ataon’ny mpitarika katolika

Ny Valosoa

Mahakasika ny olana tany any Analamalotra Toamasina faha-2 faritra Atsinanana, tany manan-tompo nefa anaovan’ny fiangonana katolika foto-drafitrasa amin’izao fotoana, nanao fitarainana teny amin’ny Nonciature Apostolika teny Ivandry afak’omaly ny tompon’ny tany, nosoloin’Andriamatoa Be François tena. Toy izao ny fanambarana nataony tao aorian’ny naharaisan’ny ao amin’ny Nonciature izany taratasy fitarainana izany:

”Mametraka fitarainana amin’ny Nonce Apostolique eto Madagasikara izahay androany satria : noho ny antsojay ataon’i Kardinaly sy Vicaire Général ao Toamasina, manoloana ny tsindry ara-politika ka nametrahana vato fototra (na pose de première pierre) eo ambonin’ny tany izay titré aminay ao Analamalotra. Hanohitra hatramin’ny farany ny herisetra ataon’ny mpitarika katolika izahay satria manana ny rariny.

Manao antso avo ihany koa ho an’ireo rehetra izay victime na niharan’ny karazana herisetra toy izao manerana ny Nosy ataon’ny Fiangonana Katolika, mba ho sahy hijoro sy hiady amin’ny tsy rariny toy izao.

Tsy miteniteny foana izahay eto fa misy porofo, ohatra :
-any Fenerive-Atsinanana: misy tanàna iray manontolo noravana.
-any Toamasina : misy tanin’olona titré telo (3), nananganan’ny Fiangonana Katolika an-keriny foto-drafitrasa ary hakariny any amin’ny Fitsarana, mba hanery ity farany amin’ny alalan’ny politika.

Soritanay etoana fa maro ny mpino katolika tsy miombon-kevitra amin’izao zava-misy any Toamasina izao. Ka tokony hilana vahaolana haingana sy fifampidinihana raha azo atao izao raharaha izao, mba tsy hisian’ny ady eo amin’ny samy mpino.”