Fifamoivoizana – Potika ny lalana Sahanivotry-Manandona

Aly

Anisan’ny lalampirenena mbola tsy tafarina koa amin’izao fotoana ny fanamborana ny lalampirenena faha-7 (RN7). Maro ireo ampahan-dalana potika tanteraka amin’izany lalampirenena izany, toy izany no hita amin’izao fotoana, ny mampitohy an’i Sahanivotry sy Manandona any amin’ny distrikan’Antsirabe faharoa, faritra Vakinankaratra.

Lasa fotaka tanteraka ilay lalampirenena anisan’ny tsara sy nigodana tamin’ny fotoan’androny. Ahitana izay fahapotehana izay koa ankehitriny, ny ao amin’ny antsoina hoe mpivaro-boankazo amin’iny RN7 iny ihany, ao amin’ny distrikan’Antsirabe II. Hatrany Fianarantsoa sy Toliara, mbola maro ny fahasimbana amin’izany lalana izany, isika anefa izao miditra amin’ny fotoam-pahavaratra, ka mbola ho sarotra ny hanarenan’ny fitondrana Rajoelina ireny fahapotehana ireny.