Tetibola 2023 – Lany tsy nasiam-panitsiana, na lany fahatany fotsiny

Niaina

Nodinihina ary nolanian’ireo solombavambahoaka tsy nasiam-panitsiana ary tsy nasiam-panovana omaly faha-25 novambra 2022 tao amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin’ny taona ho avy 2023.

Marihina fa tsy nanisy fanovana sy fanitsiana ihany koa ny tao amin’ny asam-baomiera. Raha alalinina ny filazana hoe: lany tsy nasiam-panovana sy tsy nasiana fanitsiana dia midika fa nolaniana fahatany fotsiny izany lalàna ny fitantanam-bolam-panjakana amin’ny taona ho avy izany.

Miisa 95 ireo depiote no nanatrika ny fivoriana, ka solombavambahoaka 93 amin’ireo no nandany izany ary ny 2 no nitsipaka. Ny depiote avy amin’ny mpanohitra, avy amin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) dia tsy nandany izany, izany hoe tsy niray tsikombakomba amin’ny tsy fahombiazan’izao lalànan’ny tetibola izao, izay tsy nety mitsinjo ny maharary ny sarambabem-bahoaka.