Raharaham-pirenena – Mandady ny trambo, tsy ho ela dia ho rava ny tsena

Ny Valosoa

Iny niaraha-nahita iny fa nidofotra ny fitoriana nataon’ny “Gel” niampanga ny “Ti-im”, efa faharesena ho an’ny fitondrana izany, dia tsy takona afenina ihany koa fa tonga eto amintsika tamin’ity herinandro ity koa ireo iraka avy amin’ny SADC nihaona tamin’ny ankolafinkery politika samihafa eto amin’ny firenena, mazava ny antondiany fa hijery ny fomba ahafahana miroso amin’ny fifidianana madio sy mangarahara, tafiditra amin’izany ny firosoana amin’ny fikaonandohampirenena, ary ny fifidianana madio sy mangarahara dia midika ho faharesena ho an-dRajoelina.

Mikasika ny fitantanana ny raharahampirenena dia io iaraha-mahita io fa miha-ratsy sahala amin’ny amboa nosasana ny fahazoana ny herinaratra, Ingahy filoha moa dia nivadidela indray nanambara fa amin’ny taona 2027 hono vao ho tapitra ny delestazy, mihevitra angamba izy fa mbola eo amin’ny fitondrana amin’izany, ka manao be famaritra toa rambon’osy, kanefa dia efa voaisa ny fotoana ipetrahany eo, tsy ampy 300 andro sisa e!

Ny fiadiana ny tompondaka erantany amin’ny baolina kitra izay iainantsika izao dia ahatsapana fa kamboty tanteraka ny mpitia baolina kitra malagasy, ilay filoha nampanantena lalao 64, kanefa zara raha ahita 28 isika, very sasaka toy ny tambavy gasy ny isa, ka azo antoka fa maherin’ny very sasaka ny vato ho azon’Ingahy Rajoelina.

Betsaka ny azo ambara fa ny azo amehezana azy dia mizotra any amin’ny faharavanany ny fitondrana ankehitriny, koa samia velon’aina ahita ny farany.