Fitoriana ny Transparency International – Mikitika ny tsy fikitika ny GEL

Ny Valosoa

Nitory ny Transparency International Initiative Madagasikara (TIIM) eny amin’ny fitsarana misahana ny toekarena, ny vondron’ny mpandraharaha mpanondrana letchi, na ny GEL eto amintsika. Ny Transparency International dia fikambanana iraisam-pirenena miady amin’ny kolikoly, ka ny TIIM no solontenan’izy ireo misahana izany eto Madagasikara. Fikambanana iraisam-pirenena matanjaka izany eran-tany amin’ny ady amin’ny fahalovana. Ny fitoriana nataon’ny GEL ny TIIM izao dia karazana fikitihana ny zavatra tsy fikitika ihany, mba tsy hilazana hoe: mikitikitika vodin-tsoavaly ny GEL amin’izao fitoriany ny TIIM izao.

Araka ny vaovao voaray omaly, notorian’ny Vondron’ny mpandraharaha mpanondrana “litchis”, na ny GEL, Ramatoa Ketakandriana Rafitoson, Sekretera mpanatanteraky ny Transparency International Initiative Madagascar, noho ny ampamoaka nataon’ny Transparency International, fa nisy ahiahina kolikoly goavana ny fanondranana litchis avy eto Madagasikara tao anatin’ny 10 taona.

Omaly tolakandro no voalaza fa natao famotorana Ramatoa Ketakandriana Rafitoson. Misy tombontsoa voakitikitika ao amin’ny GEL, no heverina fa nahatonga azy ireo nitory izao, ny TIIM anefa dia manana tambazotra matanjaka tokoa amin’ny fanaovan’izy ireo fanadihadiana lalina amin’ity resaka kolikoly ity, ka matoa izy ireo namoaka izany vokatry ny fanadihadiana nataony izany ary nanamafy fa nisy ny kolikoly avo lenta tao anivon’ny GEL amin’ny fanondranana letchi dia ao raha. Hitsikitsika tsy mandihindihy foana hoy ny fitenenana izay, fa ao raha.