Komity foibe faha-44 ny FFKM – Ametrahan’Andriamanitra adidy amin’ny firenena ny fiangonana

Isambilo

Tanterahana any Ambatondrazaka faritra Alaotra Mangoro amin’izao fotoana ny komity foibe faha-44 ny FFKM : Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara. “Jereo fa omeko fahefana ianao anio amin’ny firenena sy fanjakana mba hanongotra sy hanjera, hanapotika sy handrava, ary hanorina sy hamboly” Jer 1:10, no loha-hevitr’izao komity foibe faha-44 ny FFKM izao, nanomboka ny talata 22 novambra teo ary hifarana anio 24 novambra 2022.

Fanopoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana izany tao amin’ny Eklesia Episkopaly Malagasy Santa Jakoba Mangarivotra, Ambatondrazaka, no nanatanterahina ny fotoam-pivavahana fanokafana. Ireo raiamandreny avy amin’ny FFKM faritany Ambatondrazaka no nitarika ny fotoana. Tonga nanatrika izany fotoana izao fotoana izao koa ny solontenam-panjakana notarihan’ny Prefet sy ny ben’ny tanàna any an-toerana.

Ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona avy amin’ny EEM, sady filohan’ny FFKM, kosa no nanokatra ny fotoana, ka nomarihany tamin’ny hafatra nozarainy fa: “velona ny fiangonana sady hametrahan’Andriamanitra adidy sy andraikitra eto amin’ny firenena sy ny fiaraha-monina”.

Mitohy amin’ny vela-kevitra avoitra amin’ny alalan’ny fiangonana sy asam-baomiera ny fotoana, andrasana anio ny fehin-kevitra amin’izany, indrindra ny momba ilay ho fanorenam-pirenena.