K25 Benelux – Hampandresy ny foto-kevitry ny filoha Ravalomanana, hamerina azy amin’ny fitondrana

Isambilo

Tafaresaka tamin’ny filohan’ny K25 Benelux, Hery Rasoamanana, ny gazety Ny Valosoa Vaovao mahakasika ny raharaham-pirenena. Ny K25 Benelux dia ny komity mpanohana ny filoha Marc Ravalomanana laharana faha-25 tamin’ny fifidianana ny taona 2018, any Benelux na: any Belgique, Nederland ary Luxembourg.

Tsy natory ny K25 Benelux hatramin’ny taona 2018, na efa vita aza iny fifidianana iny hoy i Hery Rasoamanana, miasa hatrany ny komity ary mikatsaka ny fahamarinana hatrany, hita izany amin’ny tambazotran-tserasera facebook. Ny tanjona hoy izy dia hampandresy ny foto-kevitry ny filoha Marc Ravalomanana sy hamerina azy amin’ny fitondrana amin’ny taona ho avy 2023. Raha tsiahivina kely ny tantara, KMMR Benelux ity komity ity tamin’ny fifidianana ny taona 2002, niova ho K25 Benelux izany tamin’ny fifidianana filohampirenena farany teo teto amintsika.

Ny tanjona hatrany hatrany dia ny fampandresena ny foto-kevitry ny filoha Ravalomanana momba ny fitantanam-pirenena, izy izay manana traikefa amin’ny MAP 1 sy MAP 2 (Madagasikara Am-Perinasa) ho amin’ny fampandrosoana haingana sy maharitra ny firenena. Tsy misy fampanantenana poakaty ny an’ny filoha Ravalomanana, ary miara-mientana ny rehetra ho fanatrarana ny tanjona. Resy lahatra amin’izay rafi-pitantanan’ny filoha Ravalomanana izay ny K25 Benelux hoy ihany Hery Rasoamanana. Manaraka ny ara-dalàna hatrany ny filoha Ravalomanana hoy izy, izay no ilana fikaonandoham-pirenena hisian’ny fifidianana am-pahamarinana.

Efa misy sahady mantsy ny fiomanana amin’ny hala-bato ankehitriny ary ny fitondrana Andry Rajoelina amin’izao fotoana dia lany tamin’izay hala-bato izay, tamin’ny alalan’ny “doublons”. Ka ny fikaonandoham-pirenena dia hahafahana manadio sy mandrafitra ary manome antoka, fa hangarahara ny fifidianana ho avy. Tsy fotoanan’ny fanonganana ihany koa izao hoy ny K25 Benelux, na izany aza mety hiongana ho azy aza izao fitondrana Rajoelina izao noho ny lainga lava hafafiny: ny lainga toy ny salaka hoy izy, ka ny tompony ihany no hafatony. Ny Vondrona Eoropeana, sy ny iraisam-pirenena ihany koa hoy Hery Rasoamanana dia mitaky ny hanatanterahana io fikaonandoham-pirenena io eto amintsika, izay fototra ho an’ny tany Repoblikana sy mandala ny demokrasia.