Fanafarana entana be loatra ataon’ny fitondrana – Mamono ny mpandraharaha Malagasy hoy ny depiote Feno

Stefa

Nivahiny tamin’ny fandaharana Miara-Manonja ny MBS Radio sy TV ary ny Radio Mada omaly, ny depiote Feno Ralambomanana voafidy tamin’ny antoko TIM, tao amin’ny Boriboritany faha-3. Nambarany tamin’izany, fa mamono ny mpandraharaha eto Madagasikara ny fanafarana entana lava sy be loatra ataon’ny pitondra fanjakana ankehitriny. Na ireo mpampiasa vola ihany koa hoy izy izao dia matahotra hanao “investissement”, na fampiasam-bola eto amintsika noho ny zavatra rehetra eto Madagasikara tsy misy mandeha amin’izay laoniny, vokatry ny tsy fahaiza-mitantan’izao fitondrana Rajoelina izao.

Potika tanteraka ny fiharian’ny mpandraharaha amin’ny hafitsoky ny karàna sy sinoa izay omen-dRajoelina sy ny forongony vahana, amin’ireo karazana korontan’entana tsy mahasoa sy tsy manampy ny vahoaka akory.