Isan-taonan’ny Fifohazana FLM – Ao isika tena hijoro amin’ny fahamarinana hoy ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Notanterahana ny talata teo teny Ambohibao ny isan-taonan’ny Fifohazana FLM (Fiangonana Loterana Malagasy). Nanatrika izany isan-taona faha-36 ny Fifohazana FLM tao amin’ny Toby Betesda Ambohibao izany, ny filoha Marc Ravalomanana. Ny teny Faneva nandritra izany dia ny hoe: “fa tsy misy mahay manao fanorenana hafa afa-tsy izay natao, dia Jesosy Kristy” I Kor.3:11. Nisy ny lahateny fohy nataon’ny filoha Marc Ravalomanana nandritra izany, niatrika ireo Fifohazana FLM avy amin’ny lafy valon’i Madagasikara.

Nambarany tamin’io fotoana io fa:”aoka isika tena hijoro amin’ny Fahamarinana! Hijoro amin’ny Fahamasinana! Hifototra tokoa amin’ny Finoana.” Nahazo fanasana manokana tamin’ny fiangonana FLM ny filoha Ravalomanana ny talata teo io, ary namaly izany fanasana izany ny tenany.