Fiarovana ny tontolo iainana – Mampandroso ny fampanjakana ny rariny eto Madagasikara i Etazonia

Aly

Tena zava-dehibe tokoa ny ezaka fampanjakana ny rariny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto Madagasikara, mba hamonjena ny zavamananaina tsy manam-paharoa eto amin’ny firenena tsy ho lany tamingana. Tamin’ny 17 Novambra lasa teo, ny governemanta amerikana, tamin’ny alàlan’ny Sampandraharaha Amerikana misahana ny Fampandrosoana Iraisampirenena (USAID), dia nanao atrikasa an-databatra boribory, mba hamahana ny tsy rariny amin’ny fanimbana tontolo iainana sy hampiroboroboana ny fampiasana amim-pahendrena sy maharitra ny harena voajanahary sarobidy eto amin’ny firenena. Ny fampanjakana ny rariny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana dia miantoka ny fampiharana mahomby ny lalàna momba ny tontolo iainana, ny sazy mandaitra ho setrin’ny fitondran-tena ratsy manimba tontolo iainana, ary ny fizarana ara-drariny ny tombontsoa azo avy amin’ny loharanon-karena voajanahary.

“Manjavona ny ala sy ny toeram-ponenan’ireo zavamananaina, atahorana ho lany tamingana ny biby sy zava-maniry, ary iharan’ny tsy rariny ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, ka mitarika azy ireo handika lalàna mba hivelomana”, hoy ny Talen’ny Biraon’ny Tontolo Iainana ao amin’ny USAID/Madagasikara, Agathe Sector, nandritra ny atrikasa. “Na dia eo aza ny ezaka mendri-piderana hanarenana ny tsy rariny, dia mbola manembatsembana hatrany ny tsimatimanota, ny kolikoly, ary ny tsy fisian’ny fampiharana ara-drariny ny lalàna velona. Misy ny rafitra ara-dalàna, saingy tsy ampy ny fampiharana azy ireo. Lafiny lehibe amin’ny fitondrana tsara tantana eto Madagasikara amin’izao fotoana izao ny fahaizana mitantana ny harena voajanahary amin’ny fomba hentitra, mizara mira, ary ara-drariny.

Nandritra ny atrikasa dia niara-nivory ny solontenan’ny sampan-draharaham-panjakana, ny mpikambana ao amin’ny Fiarahamonim-pirenena ary ny fikambanana mpiaro ny tontolo iainana, mba hanombanana ny fahombiazan’ny rafitra ara-dalàna momba ny tontolo iainana eto Madagasikara, hiantso ny fanitsiana ny politikam-pirenena, hamantatra ny paikady ilaina, ary hanasongadinana ny fampiharana mahomby kokoa amin’ireo fandaharan’asa efa misy. Ireo mpandray anjara koa dia nandrafitra angom-panapahan-kevitra maromaro ho fanamafisana ny fampanjakana ny rariny amin’ny fiarovana ny tontolo iainana eto amin’ny firenena. Nisy ihany koa ny drafitrasa novolavolaina, ho fanantanterahana ireo angom-panapahan-kevitra ireo.

Ireo mpandray anjara tahaka ny Tafo Mihavo, izay tambazotran’ny Mpitantana ny Harena Voajanahary eto Madagasikara, sy ny Groupe d’Etude et de Recherche sur les Primates de Madagascar (GERP), ary ny Fivondronan’ny Mpiantsehatra amin’ny Fananantany, dia nanentana ny solontena avy amin’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana Lovainjafy, ny Fitsarana, ary ny Fanajariana ny Tany sy ny Fananantany, mba hamahana ireo olana goavana toy ny famindrana ny harena voajanahary, ny fitantanana ny loharanon-karena ho an’ny vondrom-piarahamonina ifotony ary ny maha-zava-dehibe ny fampiharana ny lalàna velona.

Nohamafisin’izy ireo ihany koa ny fifandraisana lehibe misy eo amin’ny fananantany sy ny rariny ara-tontolo iainana, ary ny fiantraikan’ny fomba fitantanana ny harena voajanahary, toy ny fiarovana ny loharanon-drano fisotro, amin’ny fahasalaman’ny olombelona. Nohamafisina tamin’izany ny maha-zava-dehibe ny fitsinjaram-pahefana eo amin’ny fampiharana ny lalàna sy ny fanomezana fahefana ny vondrom-piarahamonina eny ifotony amin’ny alalan’ny dina sy ny fananganana lalàna vaovao momba ny fampiasana ny tany.
Amin’ny alalan’ny tetikasa Hay Tao izay misehatra amin’ny fitantanana ara-drariny ny harena voajanahary, ny USAID dia manohana ny andrim-panjakana eto Madagasikara amin’ny famolavolana politika sy ny fampiharana ny lalàna momba ny tontolo iainana sy ny fananantany, mba hanatsarana ny rafitra ara-dalàna amin’ny fitantanana ny harena voajanahary.

Mijoro miaraka amin’i Madagasikara toy ny “mpirahalahy mianala ” i Etazonia, mba hanampy amin’ny fiarovana ny zavamananaina tsy manam-paharoa eto amin’ny firenena. Nanomboka ny taona 2013 dia nanome 60 tapitrisa dolara mahery ny USAID, mba hampiroboroboana ny fampandrosoana lovainjafy, hanatsarana ny fiveloman’ny vondrom-piarahamonina eny ifotony, hanamafisana ny fitantanana ny harena voajanahary, hampiatoana ny fanondranana biby an-tsokosoko, ary hiarovana ny ala amin’ny fitrandrahana tsy ara-dalàna.