EDITO 24 Novambra – Volavolan’ny lalànan’ny tetibola – Ho 4,9% hono ny fitomboan’ny harin-karena amin’ny 2023

Isambilo

Nitondra fanazavana mahakasika ny volavolan’ny lalànan’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy 2023 tamin’ity herinandro ity, ny avy ao amin’ny ministeran’ny fitantanam-bola sy ny tetibola, notarihan’ny ministra Rindra Hasimbelo Rabarinirinarison. Efa mitohy amin’ny asam-baomiera eny Tsimbazaza ny fandinihana ity volavolan-dalàna ity amin’izao fotoana. Anisan’ny fantatra tamin’izany bokiben’ny volavolan’ny lalànan’ny tetibolam-panjakana izany, fa tombanana hahatratra 4,9% hono ny fitomboan’ny harin-karena anatiny faobe eto amintsika amin’ny taona ho avy io. Efa voadinika sy narafitra tsara ve izany, hoy ny fanamarihan’ny mpahay toekarena?

Ny zava-misy amin’izao fotoana mantsy, mbola tena ao anaty fahasahiranana ireo sehatry ny fihariana tena mampisondrotra ny harin-karena eto amintsika ankehitriny dia ny sehatra tsy miankina, mandalo fotoan-tsarotra izy ireo, satria tsy nisy ny fanampian’ny fanjakana tamin’ny valanaretina coronavirus ireny, sy ny olana naterak’izany. Anisan’ny iharan’izany fahasahiranana izany ankehitriny ny sehatry ny fanodinana, na ny indostria. Manampy trotraka ny fahavoazan’izy ireo ny fanafaran’ny fitondrana, sy ny famelany amin’ny fanafarana be loatra entana isan-karazany avy any ivelany, izay mamono ny orinasa eto anatiny, tokony hampitombo ny harin-karena. Anisan’ny mbola misedra olana koa ny sehatry ny fizahantany, na dia efa manomboka miharin-doha ary ity sehatr’ity amin’izao fotoana, ho sarotra ny hahatrarana ny fitomboan’ny harin-karena novinavinain’ny fitondrana 4,9% io.

Ny seha-pamokarana ambaratonga voalohany: ny fambolena sy ny fiompiana koa ankehitriny dia mbola ao anaty krizy, ny fanafarana vary avy any ivelany dia mamono azy ireo, tsy misy na tsy ampy koa ny fanampiana azy ireo amin’ny famokarana, na zezika, na masomboly, na fitaovam-pamokarana, ka ho sarotra ho an’ity sehatra ara-toekarena ity koa, no hitondra ny anjara birikiny amin’izay hampakarana ny harin-karena arak’izay vinavinaina izay. Ny toky fitaka, fa ny atao no ho hita, amin’ny fanatanterahan’ny fitondrana izany lalànan’ny tetibolam-panjakana amin’ny taona ho avy izany.