Vohitsara Amparafaravola – Manetsika ny fototra ny antoko TIM any an-toerana

Isambilo

Manetsika ny fototra amin’izao fotoana ny mpitarika ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), any amin’ny distrikan’Amparafaravola, faritra Alaotra Mangoro. Tao anatin’izany no nanaovan’izy ireo fameloma-maso na redynamisation ny antoko tany amin’ny kaominina ambanivohitra Vohitsara Amparafaravola, ny sabotsy lasa teo. Nitarika ny fotoana tamin’izany ny depiote Rabekijana Solofo Hery avy amin’ny antoko TIM, voafidy tany amin’ity distrika ity, sady DISTIM Amparafaravola, nanotrona azy koa ireo Assistants Parlementaires miaraka aminy. Nisongadina nandritra izany, fa feno fahatokiana ny filoha Marc Ravalomanana ny solontenan’ireo vahoaka niatrika ny fotoana. Amin’ny taona 2023 ny rendez-vous, na ny fotoana, hiarahana amin’ny filoha Ravalomanana indray hoy izy ireo hanavotra ny firenena.