Tanora TIM Ambohimanarina – Namoaka mpiofana momba ny Call Center miisa 150 indray

Stefa

Tontosa ny sabotsy teo teny Ambohimanarina ao amin’ny boriboritany faha-6, ny famoahana ireo tanora ao Ambohimanarina sy ny manodidina, izay nanaraka fampiofanana arak’asa momba ny CALL CENTER andiany faha-3 tao amin’ny Sekoly Les ROSSIGNOLS Ambohimanarina, izay miisa 150. Izany hetsika izany dia nokarakarain’ny GROUPE ROSSIGNOL MADA, sy ny Tanora TIM Ambohimanarina ary ny Tanora TIM Analamanga, izay tarihan’i Lalaina Rabezanahary, sy ireo ekipa mpiara-miasa aminy.

Tsy nijanona tamin’ny fanofanana ihany ny hetsika, fa tonga dia nahazo asa avy hatrany ireo tanora sasany tamin’ireo nanaraka fiofanana ireo. Teny filamatry ny Tanora TIM hoy Lalaina Rabezanahary ny hoe: ”Tanora TIM, tanora sahy mandray andraikitra.”