Fandefasana ny Mondial any Qatar – Navandy indray ry Rainilainga

Lita

Navandy indray, ry Rainilainga amin’ny fandefasana ny Mondial 2022 any Qatar, amin’ny fahitalavi-pirenena.

Andro maromaro lasa izay dia nambara fa handeha mivantana amin’ny TVM avokoa ireo lalao miisa 64, izao anefa dia fantatra fa tsy misy afa-tsy 28 ihany no handeha amin’ny fahitalavi-pirenena ity. Samy mavandy na ny Filoha Rajoelina, na ny ministra Lalatiana, satria efa samy nilaza izy ireo, fa handeha amin’ny TVM avokoa ireo lalao rehetra amin’ny Mondial.

Noho izany, ny televiziona andoavam-bola ihany no handefa ny lalao manontolo miisa 64. Fepetra napetraky ny Federasionina iraisam-pirenena misahana ny baolina kitra (FIFA) ny hoe: ny “fahitalavitra andoavam-bola – Pay TV – ihany no afaka mividy ny zo ahafahana mandefa ny lalao 64 ao anatin’ny amboara eran-tany amin’ny baolina kitra”, izay atao any Qatar nanomboka ny alahady teo. Isan’ireny ny Bein Sports, ny Supersport International. Ny Televiziona FTA:« free to air», na ireo fahitalavitra tsy andoavam-bola dia lalao 28 ihany no azon’izy ireo alefa, araka ny tolotra namidin’ny FIFA ho azy ireo.

Manodidina ny 200 eo, maneran-tany ireo fahitalavitra nividy, ka afaka mampisitraka ny mpijery azy izany lalao izany. Amin’ny ankapobeny dia fahitalavitra iray isaky ny firenena ireo. Isan’ireny ny Televiziona Malagasy (TVM) ho an’i Madagasikara, TF1 ho an’ny France, RTVE ho an’ny Espagne, MBC ho an’i Maurice, RTB ho an’ny Burkina Faso, ORTM ho an’i Mali, Kigaliu Channel 2 ho an’i Rwanda, sns…

Araka ny fantatra dia tsy nivarotra tolotra hafa ho an’ny televiziona tsy andoavam-bola ny FIFA tamin’ity lalao ity. Izany hoe ireo televiziona manodidina ny 200 ireo dia handefa lalao 28 avokoa, tsy misy mahazo mihoatra na ny iray aza.