Morondava faritra Menabe, na nisy ny sakantsakana – Ao amin’ny tanjany tsara ny antoko TIM sy ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Na nisy ny sakantsakana, tontosa soa aman-tsara ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) tany Morondava, renivohitry ny faritra Menabe. Nisy ny sakantsakana satria tamin’ny ora farany, nofoanan’ny Prefet an’i Morondava indray ny fahazoan-dalana efa azon’ny solontenan’ny antoko tany an-toerana, efa andro maromaro nialoha io fotoana ny sabotsy teo io. Nanambara tamin’izany ity olom-boatendry any Menabe ity, fa tsy azon’ny TIM atao indray ny mamory olona. Rehefa nisy ny fifampidinihana ny zoma hariva lasa teo, sady nanaiky no tsy nanaiky nanome alalana ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana ny Prefet any an-toerana.

Nijoro nankalaza ny tsingerin-taona tao amin’ny Espace Fanantenana tao Namahora ihany ny mpikatroka marobe tokoa, sy ireo mpitarika notarihan’ny filoha Marc Ravalomanana, sy ny sekretera jeneraly nasionalin’ny antoko Rina Randriamasinoro, ary ireo mpitarika any an-toerana ny andron’ny sabotsy. Nisy ny fampirantiana ny tantaran’ny antoko, na ireo mpitandro filaminana aza dia azo lazaina ho liana tamin’izany. Nambaran’ny filoha Ravalomanana nandritra izany, fa hanakaiky kokoa hatrany ny mponina isam-paritra ny tenany sy ny antoko TIM, ka hanatanteraka kongresy rejionaly maromaro ato ho ato; mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny eto amintsika, miantso ny olom-pirenena rehetra feno taona i Dada hiditra hisoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana ary hanara-maso amin’ny fomba matotra sy ampahamailoana izany lisi-pifidianana izany. 20 taona aty aoriana hoy izy, mijoro sy matanjaka hatrany ny TIM, rehefa mijoro sy sahy hoy izy dia manampy sy mitahy hatrany ny Tompo.

Talohan’ny fankalazana ny faha-20 taonan’ny antoko, toy ny fanaony amin’ny fitsidiham-paritra tanterahany, nandalo tao amin’ny Bazary Morondava koa izy sy ny mpiara-dia aminy, nihaino ny hetahetan’ny mponina. Nisongadina nandritra izany, fa tena mijaly ny vahoaka amin’izao fotoana, ka miantso ny filoha Marc Ravalomanana indray, hanavotra azy ireo sy ny firenena, izay tena sahirana sy latsaka an-katerena tokoa amin’izao fotoana, noho ny tsy fahaiza-mitantan-dRajoelina sy ny forongony.