EDITO 22 Novambra – Tsy hisy ny fandrosoana raha tsy voajery ny fototr’izany

Sôh’son

Tsy nahavita namaly ny hetahetam-bahoaka malagasy izao fitondrana Rajoelina izao, efa-taona nitondrany. Tsy atao hahagaga loatra raha tsy hita misongadina ny asa fampandrosoana atao eto amin’ity firenena ity, tao anatin’izay fotoana nitondrany izay. N’inona n’inona fanazavana ataon’ny fitondrana na ireo olona miara-dia aminy, dia tsy nisy fivoarany sy fihatsarany ny fiainam-bahoaka. Lasa resaka fotsiny ny natao tamin’ny fampielezan-kevitra, ary zary fampanantenana poak’aty ny ankamaroan’ny nambara tany am-piandohana.

Iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ary ny tena manahirana dia olom-bitsy no mahazo vahana, na ihany koa ireo vahiny. Mahatsiaro atao antsirambina ny momba ny Malagasy, ary mahatsiaro izy fa tsy misy mpiaro eto amin’ny taniny. Anisan’ny ohatra iray lehibe miharihary amin’izany ny raharaha Manandafy Maherilanto, izay nohidiana eny am-ponja mandraka ankehitriny. Ny manahirana ny sain’ny maro ny mieritreritra azy, dia ny fahenoina fa ny fitoriany an’ilay vazaha nandrahona ny ho faty azy, dia tsy nisy nandray teo amin’ny sehatra tokony hametrahana izany, fa ny nahamaika ny manam-pahefana dia ny fampidirana am-ponja ity Malagasy mpisintona lakolosy ity… santionany ihany izany.

Tsy hisy fampandrosoana sy fihatsaran’ny fiainam-bahoaka izany eto, raha mbola tsy manova fomba fiasa izao fitondrana izao. Ny fositra lehibe amin’izany dia ny fanaovana tsinontsinona ny andry iankinan’ny fampandrosoana eto amin’ity firenena ity. Ny fampandroasoana an’i Madagasikara dia tsy azo alain-tahaka amin’ny zavatra nataon’ny firenen-kafa, fa samy manana ny maha izy azy ny tsirairay. Raha mbola tsy mivonona ho amin’izany izao fitondrana izao, dia ho toy ny mponin’Israely fotsiny hihodinkodina any an’efitra ny firenena sy fampandrosoana atao. Na hihodin-kavia na hihodin-kavanana ny fitondrana dia tsy ahita hirika hanandratana an’i Madagasikara, raha tsy mijery izay fototra lehibe izay. Ho resaka fotsiny ihany ny amin’ny taona 2028, sy indrindra ny amin’ny taona 2038. Mba manao vinavina ka manao, fa azon’ny rehetra atao izany, kanefa azo tarafina tsara amin’ny zava-misy ankehitriny izay hoavy izany.