IRENY VE NO DEPIOTE, IRENY VE NO SENATERA ?

(Sary Tia Tanindrazana)

Ireny ve no depiote, ireny ve no senatera?
Sao dia manaratsy endrika an’ilay antenimiera?
Ny taranja tena hainy, mampiaiky ny rehetra,
Dia toa ny miteny ratsy sy mampiasa herisetra!

Ireny ve no depiote, ireny ve no senatera?
Raha ny vava aloha dia azy, ary koa ny hoerahoera.
Tsy hainy ny manaja tena na mba hoe hipetrapetraka,
Fa fanaony ihany koa ny tsindritsindry sy hetraketraka!

Ireny ve no depiote, ireny ve no senatera,
Nefa dia ny tena lohany amin’ny bizina sy afera?
Aza gaga raha mahita iretsy ondriny mihahaka,
Noho ny ataony tsy modely mendrika halaina tahaka!

Ireny ve no depiote, ireny ve no senatera,
Nefa manan-toetra ratsy sy fihetsika “hôrera”!
Tena hoe hoe manetry laza ity ilay andrim-panjakana
Izay natao hamolavola sy handrafitra lalàna!

TSIMIMALO (16-11-22)