Faha-20 taonan’ny antoko TIM – Andrasana any Morondava ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Faha-20 taonan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), andrasana any Morondava renivohitry ny faritra Menabe anio, ny filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady filohan’ny rodoben’ny mpanohitra RMDM, Marc Ravalomanana. Anjaran’ny any amin’ny faritra Menabe indray, no handray ny fankalazana ny tsingerin-taonan’ny antoko amin’izao faran’ny herinandro izao, tao aorian’i Antananarivo, Mahajanga ary Toamasina.

Ankoatra ny fampirantiana ny tantaran’ny antoko, sy ny filoha mpanorina azy nandritra izay fotoana izay, ao anatin’ny fameloma-maso indray ny antoko koa izao hetsika hatao any Menabe izao. Mandritra izany koa no hanambaran’ny filoha Marc Ravalomanana, sy ireo mpanara-dia azy ary ireo mpitarika ny antoko any an-toerana, ny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’izao fotoana: ny momba ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, izay toa nataon’ny fitondram-panjakana hangalaram-bato indray izany, ny momba ny fanaovana kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana faobe, izay fiomanana sahady ihany koa amin’izay hanaovana hosoka amin’ny fifidianana izay, araka ny fahitan’ny mpanao politika, sy ny fiarahamonim-pirenena sasany azy.

Ny olana samy hafa mialoha ny hanatanterahana fifidianana izao, no tsy maintsy ilana ny fanaovana fikaonandoham-pirenena, izay tsy maintsy horesahan’ny filoha Ravalomanana koa any an-toerana. Fa mialoha ny hahatongavany any amin’ny renivohitry ny faritra Menabe, nihaona mivantana tamin’ireo vahoaka koa ny filoha nasionalin’ny antoko TIM toy ny fanaony, tamin’ireo tanàna lalovan’iny lalampirenena faha-34 na RN 34 iny. Na tsy nisy fampandrenesana, tsy nisy mpanakanto, fa naheno fotsiny ny olona hoe mandalo ny filoha Marc Ravalomanana dia tonga maro ny olona, toy ny hita tany Ankazomiriotra, Mandoto, Anjoma-Ramartina, Miandrivazo,… Tafahoana tokoa ny tia sy ny manina nandritra izany.