Analamalotra Toamasina II – Nalaina ny tanin’ny malahelo, anaovana tetikasan’ny Filoha

Helisoa

Mbola mitohy hatrany ny amboletra ataona mpitarika ny fiangonana katolika, hametraka fotodrafitr’asa eo amin’ny tany manan-tompo any Analamalotra Antetezambaro Toamasina II, faritra Atsinanana, izay mitondra ny anarana ‘La Redoute‘, izay nisoratra tamin’ny orinasa iray tsy hita intsony amin’izao fotoana izao, araka ny tatitra nataon’ny mpisolovava Me Eric Rafidison, mpisolovava an’i Be Francois tamin’ny mpanao gazety teny Itaosy ny alakamisy lasa teo.

Maro ny dingana nalehan’ny tompon’ny tany, fa sendra ny fanaparam-pahefana, ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny mpitantana ny fiangonana katolika mihitsy no nametraka ny vato fototra vao amam-bolana vitsivitsy izao. Araka ny nambaran’ity mpisolovava ity hatramin’izay dia nisy ny dingana nataon’ny tompon’ny tany mikasika ity raharaha ity. Manoloana izany dia efa nahazo rariny teny amin’ny fitsaràna ambaratonga voalohany sy teny amin’ny fitsaràna tampony ny tompon’ny tany. Kanjo taty aoriana, nisisika ny ONG Saint Gabriel teny amin’ny fitsaràna dia nivoaka indray ny didy, izay azo adika tsotsotra fa miverina ho toy ny tsy nandalo raharaham-pitsaràna ny raharaha mikasika ilay tany hatramin’izay. Didy izay mahavalalanina ny rehetra hoy Me Eric Rafidison, satria sambany tao anatin’ny 60 taona, izay vao nisy didy navoakan’ny fitsaràna ady madio no nohazavain’ny fitsaràna famaizana ary didy navoakan’ny fitsaràna famaizana nadikan’ny fitsaràna ady madio. Izay raha jerena hoy Me Eric Rafidison dia toa manohintohina ny hasin’ny fitsaràna.

Ankoatra izay, efa nisy ny fanelanelanana nataon’ny mpitandrina FJKM tany Toamasina, saingy tsy nahitam-bokany sy toa narirarira. Manoloana izany indrindra dia hisy hoy ity mpivolovava ity ny fandefasana taratasy fitarainana any amin’ny Nonce Apostolika solontenan’ny Papa eto Madagasikara sy any Vatican. Ankoatra izay, nanambara ny tompon’ny tany any Analamalotra Toamasina II, misy ny fanamboarana trano vitsivitsy ipetrahan’ireo mpiasa ao amin’ilay tany na dia efa misy aza ny dingana natao tsy ahafahana manao izany. Ny mompera ao an-toerana mihitsy ihany koa dia maniraka ireo mpiasa haka ny voankazo letchi, nefa ny tompon’ny tany aza mbola tsy nikitika ireo voankazo namboleny ireo.

Misintona ny sain’ny mpitantana ny fiangonana katolika tamin’ny alalan’ny soratra masina ny mpisolovava ny tompon’ny tany ao Analamalotra, Me Eric Rafidison. Raha niditra tao amin’i Zakaiosy mpitaky hetra Jesosy dia hoy izy taminy hoe “amidio ny fanananao dia omeo ny malahelo”. Amin’ity, ny fiangonana izay solontenan’ny Kristy eto an-tany indray, no lasa toa manao hoe:”alaivo ny fananan’ny malahelo, ka anaovy projet presidentiel” (tetikasan’ny Filohampierenena).