EDITO 19 Novambra – Morondava, misy ny mizana tsindrin’ila – Tsy nahazo alalana ny TIM, nahazo kosa Rajoelina tsy tena izy

Isambilo

Araka ny vaovao farany voaray avy any Morondava, renivohitry ny faritra Menabe, nofoanan’ny Prefet an’i Morondava indray ny fahazoan-dalana nomena ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), saika hankalazana ny faha-20 taona niorenanany ao anaty toerana mifefy anio, any amin’ny renivohitr’ity faritra ity. Ny tompom-pahefana anefa etsy ankilany, havela hilahatra eny an-dalambe sy hanao fetibe ankalamanjana resaka kopikole an’i Prezidà Rajoelina ilay raha. Voalaza amin’izany fa hotsenaina makotroka any an-toerana ilay Rajoelina tsy tena izy, mba tsy ilazana hoe: Rajoelina fôpla.

Hita fa misy ny mizana tsindrian’ila, ataon’ny olom-boatendry: Prefet any Morondava amin’ireo zavatra roa hitranga ireo. Misy ve ny tsindry nahazo ity olom-boatendry ity, satria efa nanome alalana ny TIM izy andro vitsivitsy lasa izay, nefa rehefa ho akaiky ny fotoana dia izao nofoanany izao indray ny fahazoan-dalana efa nomena ireo tompon’andraikitry ny antoko.

Efa tany amin’ny 2 volana tany ho any anefa no efa nanomana izao fotoan-dehibe izao ireo mpitarika, sy ireo mpikatroka amin’ny antoko najoron’ny filoha Marc Ravalomanana any amin’ny faritra Menabe. Ny filoha Ravalomanana rahateo dia efa nivonona ny ho any hanome voninahitra ny fotoana, satria ny alakamisy lasa teo izy dia efa niala avy aty an-drenivohitra nihazo iny lalampirenena faha-7 (RN7), sy ny lalampirenena faha-34 (RN34) mampitohy ny renivohitra sy Menabe iny. Vahoaka marobe tokoa no nihaona tamin’ny filoha Ravalomanana nandritra izany teny an-dalana, ka heverina fa tahotry ny hahazoany olona marobe any Morondava, no anisan’ny antony nanafoanan’ny mpitondra ny hetsiky ny TIM any an-toerana. Ny tahotra tokoa ny lehibe indrindra ho an’izao fitondrana Rajoelina izao, raha vao mihetsika i Dada.