Fambolena – Tokony ho mandavan-taona ny fandraharahana ny vokatra lojy

Aly

Ny vokatra lojy dia toy ny vary ihany, misy mandavan-taona, noho izany tokony ho mandritra ny taona koa ny fandraharahana ny vokatra lojy eto amintsika fa tsy tokony ho hisy famerana: volana martsa ka hatramin’ny oktobra ihany ohatra. Io no hetahetan’ireo mpamokatra sy mpivarotra ity voamaina ity any amin’ny faritra Boeny, sy Betsiboka ary ny faritra Sofia iny, izay mamokatra ity vokatra, sady amidy eto an-toerana, no azo aondrana any ivelany ity koa. Ny famerana ny fandraharahana azy dia mitaky akora ho fitahirizana azy, nefa tsy manana an’izany ny tantsaha, hany ka lasa samba, sy tsy manaraka ny fenitra takian’ny any ivelany ny vokatra. Noho izay antony izay ohatra: nolavin’ny Eoropeana ny lojy Malagasy ny herinandro teo, noho ny fanafody famonoana bibikely hita tamin’izany vokatra naondrana izany.

Toy ny varadatsaka no nandraisan’ny mpandraharaha Malagasy ny olana eo amin’ity “Black eyes” na lojy, izay vokarina eto amintsika ity, satria nolavin’ny Eoropeana ankehitriny ny fanondranana azy ireny, noho ny fanafody famonoana bibikely nampiasaina tamin’ny famokarana azy.

Anisan’ny mpamokatra betsaka indrindra io lojy io i Madagasikara, tsy latsa-danja amin’izany ny ao Mampikony, Faritra Sofia. Manondrana azy maneran-tany isika eto Madagasikara.

Raha araka ny vaovao navoakan’ny haino vakijery tany ivelany ny faran’ny herinandro lasa iny, dia nisy kaontenera roa nitondra lojy io, no nolavin’ny Vondrona Eoropeana. Nolazain’izy ireo fa ny fanadihadiana biolojika no nahitana, fa nihoatra ny 0,01 mg isaky ny kilao, fetra farany ambony indrindra any Eoropa ho an’ny fanafody famonoana bibikely, ny fatran’ny fanafody tamin’ny lojy avy aty amintsika.

Sahirantsaina ny mpamboly, izay tsy mahita vahaolana hafa enti-miady amin’ny bibikely mpanimba vokatra, satria manahirana ny mandanjalanja ny fatra eo ampamafazana ny fanafody bibikely.

Fatiantoka tsy roa aman-tany ihany koa ho an’ny Mpandraharaha miantsehatra amin’ity seha-pihariana ny Lojy ity izany. Mipetraka ny fanontaniana, midika ho sazy ho an’i Madagasikara ve izao ataon’ny Vondrona Eoropeana izao, sa tandrevaka avy amin’ny mpamboly sasany ihany? Tokony ho jeren’ny tompon’andraikitra akaiky ity raharaha ity, satria vola vahiny maro indray no ho very ho an’i Madagasikara.

Tsiahivina fa ankoatra an’i Eoropa, i Inde sy i Torkia, no anisan’ny firenena mpandray ny lojy avy aty Madagasikara.