Kaominina Ivato – Mitohy ny hetsika kopia sy karapanondro maimaimpoana

Stefa

Mitohy amin’izao fotoana ny ezaka kopia sy karapanondrom-pirenena maimaimpoana faobe ho an’ny mihoatra ny 18 taona mahery, any amin’ny kaominina Ivato distrikan’Ambohidratrimo. Ny alakamisy 1 desambra izao, no hanatanterahana ny fitsarana mitety vohitra, hamoahana ny didim-pitsarana misolo sora-piankohonana hahazoana Kopia, ho an’ny olona rehetra lahy na vavy feno 18 taona no mihoatra, izay tsy mbola nanana kopiam-pahaterahana hatramin’izay. Eo amin’ny tokontanin’ny Kaominina no hanaovana izany. Vita izay, eo no eo no hanomezana Karapanondrom-pirenena (CNI) ho an’ireo hahazo kopia.

Hampidirana anaty lisi-pifidianana koa ilay olona avy eo, ka hanana zo feno amin’ny maha- olom-pirenena handeha hifidy. Nambaran’nhy ben’ny tanàna Penjy Randrianarisoa fa: ”aza miandry ela fa tongava eo amin’ny biraon’ny Fokontany, na ny biraon’ny Sora-piankohonana eto amin’ny Kaominina Ivato, hanomezana anao ny toromarika amin’ny fikarakarana ny antontan-taratasy. MAIMAIMPOANA AVOKOA IZANY REHETRA IZANY. Ianao tsy very zo amin’ny maha-olom-pirenena anao no tanjonay,” hoy izy.