Depiote Todisoa – Sinema ihany iny fifofoana ny ain’i Vazahabe iny hoy ny maro

Helisoa

Naneho ny heviny mikasika ny resaka fifofoana ny ain’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriatsitohaina, ny depiote TIM voafidy tao amin’ny boriboritany faha6 Todisoa Andriamampandry. Nambarany tamin’izany, fa na inona na inona aloha tsy fitovoan-kevitra eo amin’ny firenena dia tsy tokony hisy ny resaka famonoana na iza io na iza. Fa raha mikasika iny trangan-javatra nisy iny dia maro ny milaza fa sinema iny, mba hampitomboana ny crediblite ny ben’ny tanàna sy ny mpiara-miasa aminy. Mba ho any daholo indray ny mason’izao tontolo izao, satria fatan-tsika fa tsy nisy zavatra vitan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo sy ny mpiara-miasa aminy hatramin’izay nitondràny izay.

Jereo anie ny fako mivangongo, ny lalana ratsy tsy misy vita, ny tsena mikorontana ambony ambany; ka minainaina daholo ny mponina amin’izany. Ny zavatra tahaka ireny dia mampalahelo satria hay ve ny ben’ny tanànan’Antananarivo izany rehefa ny fandrobàna sy ny famonoana azy dia manana blindé izy dia milamina izany ny securitea-ny. Fa ahoana kosa ireo vahoaka madinika izay voatafika isan’andro, isan’ora? Izao vao voatifitra teny Ambohimalaza ny inpecteur des impôts sy ny namany. Ny tany Ikongo, tsy mba nisy fiarovana ataon’ny mpitondra. Ny tany Ankazobe famonoan’olona firy, fakana taova tany Menabe, ny tapa-doha tany Atsimo, sns… Aiza ny mpitandro filaminana manoloana ireny, aiza ny mpitondra fanjakàna hiaro ny vahoaka sy ny fananany, hoy depiote Todisoa Andriamampandry. Ny olona manambola sy ny ben’ny tanàna izany dia voaaro amin’ny fiara tsy laitram-bala. Ny vahoaka efa mahantra tsy mba misy mpiaro, nefa ny mpitondra no tompon’andraikitra amin’izany.

Eto izany dia anatra ho an’ny mpitondra rehetra no atao, matoa ianao misy misotasota dia misy toetra ao tokony hovaina. Na fomba fiteny, na famaliana olona, mila fanetren-tena ao anatin’izany. Ka hoy aho hoe mba jereo ny vahoaka Malagasy. Fa ny vahoaka, efa firy ny famonoana sy fandrobàna nisy teto, nefa tsy nisy mpitondra ambony na iray aza mba nankahery sy nanohana na nanampy ny vahoaka tao anatin’izay. Fa ity vao ny ben’ny tanàna no voa dia zareo mpitondra, no mamoaka amin’ny fesiboky sy gazety ary amin’ny fahitalavitra manameloka ny herisetra izay natao taminy.

Fa ankoatra izay mikasika ny resaka lisi-pifidianana izay atao eny amin’ny orinasa, izay eritreretin’ny CENI atao dia naneho ny heviny ihany koa ity depiote TIM, ao anatin’ny fanoherana ity. Nambarany mazava tamin’izany, fa tsy mety ny hanaovana fanisana ny mpifidy eny amin’ny orinasa, fa any an-trano ihany no tokony hanaovana izany. Misy tetika hangalaram-bato io ka tsy azo ekena. Ny fantatra anefa dia niverina tamin’ny fanapahan-keviny ihany ny CENI mikasika io fanisana mpifidy eny anivon’ny orin’asa tsy miankina io. Ilaina hoy ny depiote Todisoa Andriamampianina ny fikaonan-doham-pirenena, mba hanatsaràna ny fifidianana ho avy io.