Fifamoivoizana – Volan’ny mpikojakoja lalana tsy voaloa koa lalana migodana no hilingilingiana

Isambilo

Mbola misy tsy voaloa hatramin’izao ny volan’ireo orinasa madinika mpikojakoja lalana eto amintsika. Noho izay antony izay, maro ny fanehoan-kevitra milaza fa: volan’ny mpikojakoja lalana aza tsy voaloan’ny fitondrana Rajoelina, koa ny lalana migodana indray, no hilingilingian’izy ireo hatao. Tena mampalahelo sy mampisendoatra ny zava-misy noho izany, hoy ny maro.

Noho izay antony izay, tonga teny anoloan’ny Minisiteran’ny Asa Vaventy ireo orinasa mpikojakoja lalana afak’omaly, nitaky hatrany ny handoavana ny volany. Misy ireo efa nahazo ary misy ny mbola tsy nahazo fa miray hina izy ireo momba ity raharaha ity.

Nanara-dalàna izahay ary tsenambaro-panjakana ara-dalàna, fa tsy “gré à gré”. Nialohan’ny nanombohan’ny asa, nisy ny fijerena ifotony hoe: ireto avy ny asa ataonareo, ny asa vita, ny volanay tsy azo, koa miangavy ataovy indray mifaoka ny fandoavam-bola, ataovy TGV (Travail à Grande Vitesse), hoy ireo mpandraharaha. Tamin’ity Fanjakana ity ihany, no tsy nisy fandoavam-bola ara-dalàna fa taloha nilamina, hoy ihany ny fanambarana. Nangataka fihaonana tamin’ny minisitra fa tsy ary nahazo, hoy izy ireo.

Manahy ireto mpanao lalana ireto, satria ny novambra 2021 no nisy fandoavam-bola voalohany, oktobra 2022 ny faharoa, ka sao ho oktobra 2023 indray, kanefa efa fifidianana amin’izany? Mifarana ny taona, misy “clause budgétaire”, ka tokony haloa ny volanay, ny Fanjakana milaza fa manam-bola, nilaza fa misy 546 miliara Ar ao amin’ny FR (Fonds Routiers), ka inona no tsy handoavana ny volanay 50 miliara Ar raha be indrindra? hoy ihany ny fitarainana.