Ambasadin’i Etazonia – Mikarakara herinandron’ny fandraharahana, indrindra ho an’ny tanora

Isambilo

Ny Masoivohon’i Etazonia eto amintsika sy ny NextA ary ny MUSEA dia miara-miasa amin’ny fikarakarana fiofanana maimaimpoana, momba ny fandraharahana ny 14 ka hatramin’ny 20 Novambra. Ny fandraharahana ataon’ny tanora no tena fototry ny fampandrosoana ara-toekaren’i Madagasikara, firenena izay 60% ny mponina ao aminy dia latsaky ny 35 taona avokoa. Izany indrindra no antony mahatonga ny Masoivohon’i Etazonia sy ireo mpiara-miombon’antoka aminy NextA ary ny fikambanana Madagascar U.S. Exchange Alumni Association (MUSEA), manohana ny tontolon’ny fandraharahana amin’ny alalan’ny hetsika maro toy ny fiofanana atrehina mivantana sy ampitain-davitra sy ny famelabelaran-kevitra ary ny fampirantiana isan-karazany mifandraika amin’ny Herinandron’ny Fandraharahana 2022, izay tanterahina ny 14 ka hatramin’ny 20 novambra.

Amin’ny alalan’ny famatsiam-bola 10000 dolara, ny Masoivohon’i Etazonia eto Madagasikara sy Kaomoro dia manohana ny MUSEA sy ny NextA amin’ny fikarakarana fiofanana, famelabelaran-kevitra sy fampirantiana maimaimpoana ary manome fahafahana ireo mpitsidika sy mpandray anjara, hifandray sy hifanakalo hevitra momba ny fandraharahana mandritra ny herinandro.

Tanterahina any Fianarantsoa sy eto Antananarivo ireo hetsika ireo. Eto Antananarivo dia hisy ny fiara izay hitatitra maimaimpoana ireo hanatrika ny programa hotanterahina eny amin’ny NextA eny Andranomena. Hiainga avy amin’ny toerana efatra eto andrenivohitra ireo fiara ireo. Hisy ihany koa ireo fiofanana izay ho ampitaina mivantana ao amin’ny https://www.facebook.com/nextA.mg. Tsidiho ny pejy Facebook-ny American Corner Mahajanga sy ny American Corner Taolagnaro, ahafantarana ireo programa azo atrehina eny amin’ireo American Corners.

Faly ny Masoivohon’i Etazonia miara-miasa amin’ny NextA, noho ny fahaizany sy ny traikefany amin’ny fampiroboroboana ny fandraharahana eto Madagasikara. Ny tanjon’ny NextA dia ny hamolavola tontolo ara-pandraharahana izay manohana ireo tanora malagasy. Mandray anjara amin’ny Herinandron’ny Fandraharahana ireo manam-pahaizana sy mpandraharaha mahomby mpikambana ao amin’ny MUSEA. Izy ireo dia maintimolalin’ny fandaharan’asa fifanakalozana momba ny fandraharahana, izay vatsian’ny departemantam-panjakana amerikana vola. Natsangana ny taona 2015 ny fikambanan’ny MUSEA, mba hampivondronana ireo mpitondra malagasy izay nisitraka ireo fandaharan’asa fifanakalozana vatsian’ny governemanta amerikanina, toy ny fandaharan’asa Young African Leaders Initiative sy ny Fulbright.