Rajoelina sy ny forongony – Mahazatra azy ireo ny manao sarimihetsika hisarihana ny saim-bahoaka

Andry Tsiavalona

Toa tena « tompondaka » eo amin’ny sehatra rehetra tokoa izao fitondrana izao ary efa nanomboka tamin’ny tetezamita izany. Tsy vitan’ny fandatsahan-drà fotsiny no niseho talohan’ny tetezamita fa iaraha-mahatadidy, fa nampiasa « lance-roquette » nitifirana ny Lapampanjakan’Iavoloha, ka nifofoan’ny mpanongam-panjakana ny ain’ny Filoham-pirenena Ravalomanana Marc tamin’izany. Azo heverina fa raha nikiry nijanonana teo amin’ny fitondrana Ravalomanana Marc tamin’izany fotoana izany dia izay iray nalehany, na nifamono ny malagasy, na namoy ny ainy ny filoha tamin’izany, raha tsy nandefitra, ka nanao sesitany ny tenany.

Na tiana na tsy tiana dia tena nankafia ireny horonantsary mampitaintaina ireny ny filohan’ny Repoblika Rajoelina ankehitriny, ka izay miseho ho mpiaro ny fahamarinana dia tsy maintsy mandia toe-draharaha sarotra foana na dia tsy maintsy mandresy ihany any amin’ny fiafaran’ny tantara. Tsy mbola nisy nitifitra tamin’ny « roquette » lapam-panjakana izany raha tsy tamin’ny nanafihan’ny mpanjanaka ny Rovan’i Manjakamiadana, ka nitifirany tamin’ny tafondro ary dia nilavo lefona Ranavalona III. Toy izany koa ny tetik’i Rajoelina Andry sy ny mpiaradia taminy ny 17 martsa 2009, satria azo lazaina fa nilavo lefona Ravalomanana Marc, noho ny fitsinjovany ny vahoaka vonona niaro azy. Na dia niala teto an-toerana aza Ravalomanana Marc dia nitohy nitaky ny fiverenana tamin’ny ara-dalàna ny mpomba azy na dia nanenjika azy ireo ny lehiben’ny zandarmaria tamin’izany fotoana izany.

Nety ho mahana tamin’ny nataony Rajoelina Andry ka nisy ireny baomba tetsy teroa ireny, ka nisongadina tamin’ireny ny teny amin’ny Marais Masay izay nolazaina fa tena nentina nifofoana ny ainy. Efa eo amin’ny fitondrana Rajoelina Andry ary efa manakaiky ny fifaranan’ny fepotoana iasany dia nisy ny raharaha « Apollo 21 », izay niaraha-nahalala fa nifofoana ny ain-dRajoelina Andry, hono. Efa nisy moa ireo niditra am-ponja tamin’ity raharaha ity ary mbola manjavozavo ny tohin’ny tantara. Efa nanomboka niha-ratsy ny toe-draharaham-pirenena tamin’izany fotoana izany ary araka ny mahazatra izao fitondrana izao dia ny ataony dia ny mamilivily ny saim-bahoaka amin’ny zavatra mety mahasarika ny saina tsy hieritreretany ny zava-manahirana azy sy hitserany izay lazaina fa fofoina ny ainy.

Misavorovoro amin’izao fotoana izao ny fitantanana ny tanànan’Antananarivo eo amin’ny fanitsakitsahan’ny ben’ny tanàna ny lalàna, ka anaovany tsinontsinona ny zavatra notinapaky ny Filakevitry ny tanàna kanefa dia mpanatanteraka izany no andraikitry ny ben’ny tanàna sy ny ekipany. Tsy adino koa ny nanomezany alàlana ny « taxi moto » hiasa eto an-drenivohitra. Marina fa izay no mba asa azon’ireo manana moto ireo kanefa fandikan-dalàna no nataon’ny ben’ny tanàna, satria efa tapaky ny filankevitry ny tanàna tany aloha ny fandavana izany. Heverina izany fa mahazatra izao fitondrana misy eto amin’ny Firenena izao ny manao sarimihetsika mba hoentina hisarihana ny saim-bahoaka. Olona nitondra moto no nifofo ny ainy ka nitifitra ny fiarany. Ka mpitondra moto manohitra ny nanomezana fahazoan-dàlana ny “taxi moto” ve no nikasa namono azy? Azo inoana anefa fa ny nitifitra mahafantatra ny maha tsy laitry ny bala ny fiaran’ny ben’ny tanàna, ka tsy andeha hisary adala sy hirisika ny ainy amin’izany.

Etsy an-kilany koa dia tsy hitondra fivoarana eo amin’ny sehatra ara-tsosialy na ara-toekarena na eo amin’ny sehatra fiarahamonina na eo amin’ny sehatry ny fampandrosoana ny tanàna ny fandatsahana ny ain’ny ben’ny tanàna, satria “raha lasa ny vazaha dia misolo vazaha”, ka adalana ny manao vy very ny aina amin’izany fifofoana ny ain’ny ben’ny tanàna izany. Rehefa mijery tambazotran-tserasera dia hita ao ny fitsikerana sy ny fanesoana ary ny fanimbazimbana ny ben’ny tanàna ataon’ny mponina, momba ity raharaha ity, izay maneso sy tsy mino ny tranga ho tena marina fa entina milalao ny fihetsehampon’ny olona fotsiny (jouer sur les sentiments). Efa sarimihetsika efa goaka ny lazaina fa fifofoana ny aina, koa mitadiava endrika hafa indray hisintonana ny fitiavana ny tena hamerenana ny fahatokisan’ny vahoaka kanefa izay leo voan’anana, hono, tsy tia zava-boribory. Momba ity raharaha ity, 4×4 matanjaka be V8 ny an’I Vazahabe, raha nisy tokoa ny mpitondra moto scooter nikasa hitiftra azy ve? Tsy iray minitra fotsiny araka ny fomba fiteny ve dia ho tratran’ny V8 ny kodiaran-droa kely. Antsika rehetra no mandinika sy mitsakotsako ny zava-nisy.