Antenimierampirenena – Toy ny valalan’alika tsy misy mpitondra, hoy ny depiote Rossy

Ny Valosoa

Nanakiana sy nanaitra ireo depiote namany tsy tonga mamonjy fivoriana, amin’izao fivoriana ara-potoana faharoan’ny Antenimierampirenena amin’ity taona ity izao, ny depiote Rahasimanana Paul Bert na ny depiote Rossy voafidy tao amin’ny Boriboritany faha-4 eto Antananarivo renivohitra.

Nasiaka fiteny ity olom-boafidy, sady mpanakanto ity amin’izany fanambarana nataony izany:”ny mivory ihany no mivory fa misy depiote tsy mbola hita tety mihitsy hatramin’ny nanombohan’ny fivoriana. Ny sasany mandehandeha any am-pitandranomasina any fotsiny. Miangavy anareo mpanatanteraka ihany koa hajanony ny fitondrana depiote mandehandeha mitety faritra, na manatrika seminera anatin’ny fotoam-pivoriana. Olona vitsy kely sisa no mivory ato, toy ny valalan’alika tsy misy mpitondra.”

Tsy nisy tsy hita tamin’izao fitondrana izao, sy tamin’izao Antenimierampirenena misy izao tokoa: ao ny mpanao trafikana volamena, ao ny voalaza fa mpiara-miasa amin’ny dahalo, misy ny mpanao trafikana hazo sarobidy,… nefa dia jerena fotsiny daholo izany. Ka izao fingitrihana misy eny Tsimbazaza izao koa dia azo antoka, fa ho vitavita ho azy ihany koa. Tena fitondran’ny mpanao gaboraraka!