Kaominina Talatamaty – Roso ny asa fanamboaran-dalana

Lalasoa Razafindrakoto

Bolongam-bola manodidina ny 200 tapitrisa Ar, izay an’ny kaominina Talatamaty distrikan’Ambohidratrimo madiodio. Io no natokan’ity kaominina manana mponina manodidina ny 70 000 izay saika mifototra amin’ny asa fambolena sy fiompiana ity, ho enti-manatanteraka ny asa fanamboaran-dalana eny an-toerana.

Nomarihan’ny Ben’ny tanàna Raharinoasy Eli Dominic, fa ho fanampiana ireo mponina amin’izao ankatoky ny fotoam-pahavaratra izao, no antony nisafidianana ny fanatanterahana ny asa. Antoky ny fisian’ny fampandrosoana ihany koa ny fananana lalana tsara, hoy hatrany ny lehilahy. Ny faran’ny herinandro teo, no nanamarihana tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohana ny asa. Lalana mirefy 660 m mampitohy ny fokontanin’Ankadivory sy Faralaza, no nisantarana izany. Ity ampahan-dalana ity, izay ho rakofana vato avokoa. Ankoatr’izay, lalana miisa 05 ihany koa, no ho vitaina mialohan’ny faran’ny taona. Marihina fa misy ihany koa ny tetezan-kely izay hatao ao Tanjondava hipotsaka any amin’ny lalam-baovao, ho fanamorana ny fivezivezin’ireo mponina. Ho jariana ihany koa ny tohatohabato hampitohy an’i Faralaza sy Ambohinambo ary ny lalankely mamakivaky tanimbary mirefy 240 m haorina ao amin’ny fokontanin’ny Fitroafana.

Nomarihan’ny Ben’ny tanàna, fa mirefy 03 km ny lalankely vitan’ny kaominina hatramin’izay nitantanany an’i Talatamaty izay. Nisy tamin’ireo no tafiditra anatin’ny tetikasa lalankely ary nisy ny tontosa vokatry ny fiaraha-miasa tamin’ireo tsy miankina. Ankoatry ny asa fanamboaran-dalana, mitohy hatrany ny asa sosialy fanaon’ny Kaominina Talatamaty, ho fanampiana ireo mponina. Anisan’ireny ny fametrahana jiro mandeha amin’ny angôvo y amin’ny masoandro, sy ny fampidirana rano fisotro madio, ho an’ireo monina anatin’ny fokontany miisa 12 mandrafitra an’i Talatamaty.