Ady amin’ny tsy fandriampahalemana – Namaly ny hetahetan’ny mponin’ny Ravitoto Ambolokandrina ny depiote Rastany

Stefa

Anisan’ny toerana isian’ny tsy fandriampahalemana ao amin’ny Boriboritany faharoa eto Antananarivo Renivohitra, ny eny amin’ny Ravitoto Ambolokandrina.

Tahaka izay efa natao teny Ambohitsoa, dia namaly ny hetahetan’ny mponin’ny Ravitoto ny Solombavambahoaka Rastany, na Randrianarisoa Stanislas. Vavahady miisa 02 no namboariny, miampy finday, ahafahana miantso ny mpitandro ny filaminana, ary “sirène” ampanenoina raha misy tranga mampiahiahy.

Heniky ny hafaliana ireo vahoaka marobe tonga teny an-toerana ny sabotsy lasa teo, nifanotrona tamin’ny depiote Rastany sy ireo mpiara-miasa aminy, tamin’ny fanolorana izao zava-bita izao ny mponina. Na mpanao lalàna aza ny solombavambahoaka hoy ny depiote Rastany, tsy maintsy mijery ny lafiny sosialin’ny mponina nifidy azy koa ny tenany.