15 novambra 2022 – 8 miliara androany ny mponina eto amin’izao tontolo izao

Aly

Araka ny tombana sy ny fanisana nataon’ny ao amin’ny Firenena Mikambana, feno 8 miliara androany 15 novambra 2022, ny isan’ny mponina eto amin’izao tontolo izao. Araka ity tombana ity ihany, i Inde no ho firenena be mponina indrindra eran-tany amin’ny taona ho avy hitsidika amin’ny 2023 io.

Firenena miisa 8 no hitombo avo roa heny ny mponina ao aminy hatramin’ny taona 2050, ka ny 5 amin’izy ireo dia aty Afrika avokoa: i Congo, Egypta, Ethiopia, Nigeria, ary Tanzania. Ireo firenena 3 hafa hitombo avo roa koa ny mponina ao aminy ivelan’i Afrika dia i Inde, i Pakistan, ary i Philippines. Ny kaontinanta Aziatika no be mponina indrindra eran-tany: 60% ny mponina eto ambonin’ny tany dia any Azia avokoa. Faharoa manaraka be mponina indrindra kosa i Afrika ary i Afrika no kaontinanta hitombo haingana ny mponina ao aminy, satria hahatratra 4,1 ny isan’ny ankizy zanaky ny vehivavy aty Afrika, raha tsy hisy afa-tsy ankizy 2 na latsak’izay ny zanaky ny vehivavy any Azia eo amin’ny salany.

Araka ity fanisana sy tombana nataon’ny firenena mikambana ity ihany anefa, tsy hahatratra ny 10 miliara ny isan’ny mponina eto amin’izao tontolo izao any aoriana any, fa hijanona eo anelanelan’ny 8 miliara sy 8 miliara sy 800 tapitrisa eo hatrany, noho ny hifandanjan’ny isan’ny olona maty sy ho teraka eto ambonin’ny tany. Fa amin’ity taona ity, mbola ny Sinoa no mponina maro an’isa indrindra eto amin’izao tontolo izao, 1 miliara sy 448 tapitrisa ny sinoa; 1 miliara sy 406 tapitrisa kosa ny Indiana. Fa amin’ny taona ho avy, vao hosongonan’i Inde ry zareo Sinoa. Fa ho antsika eto Madagasikara kosa, 29.574.000 mahery ny mponina eto amintsika amin’izao fotoana.