EDITO 15 Novambra – Fikasana hamono an’i Vazahabe – Toa ny akamakama ihany no mampalahelo an-dRajoelina

Helisoa

Manameloka ny fikasana hamono ny ben’ny tanàna Vazahabe : Naina Andriatsitohaina ny filoha Andry Rajoelina. Nambarany tamin’izany fa toetra mifanohitra amin’ny kolontsaina Malagasy sy ny soa toavina Malagasy ny herisetra. Niarahaba ny ben’ny tanàna ny tenany tsy maty fo aman’aina. Mankahery ny fianakaviany ihany koa ary miantso ny mpitandro filaminana, hikaroka izay tompon’antoka tamin’ny fikasana ratsy hamono ny ben’ny tanàna.

Niteraka resabe teny amin’ny tambazotran-tserasera io fanambaràna nataon’ny filoha Andry Rajoelina io. Firifiry moa ny Malagasy namoy ny ainy vokatry ny herisetra, nefa mba nanao fanambaràna fanamelohana izany ve ity farany? Nisy ny tranga nahafatesana Malagasy maro efa ho 30 latsaka kely tany Ikongo izay notifirin’ny zandary, nodian’ny filoha fanina fotsiny. Tsy nanameloka i Andry Rajoelina. Teo ihany koa ny tany Ankazobe izay maro ihany koa ireo namoy ny ainy.

Ankoatra izay, vao tsy ela akory tao anatin’ny andro maromaro izay no nisy ny zandary maty tany Morondava, mpanakanto novonoina tamin’ny fomba feno habibiana ary zazalahy kely tany Morondava no lasibatry ny herisetra. Manoloana izany, tsy nisy fanambaràna mba re tamin’ny filoha Andry Rajoelina nanameloka ireny herisetra natao tamin’ny vahoaka Malagasy ireny. Koa mipetraka ny fanontaniana, natao ho an’ny akamakama ihany ve raha misy mahazo azy ny fanamelohana, fa rehefa ny vahoaka dia modiana fanina?

Maro ny herisetra misy eto amin’ny firenena ankehitriny, tsy voatery mamono olona ihany, fa ny fangalàna ny tany ipetrahana nandritra ny taona maro dia efa herisetra atao amin’ny vahoaka madinika tompon’ny tany koa. Manjaka ankehitriny izany fangalarana tany izany, ary tokantrano marobe no voaraoka amin’ny taniny. Natao nipoapoaka ery anefa tamin’ny fampielezan-kevitra fa tsy haka ny taninareo aho na iray metatra aza. Ankehitriny tany vita baorina fananan’ olona tsotra izao aza, nametrahany vato fototra toy ny niseho tany Analamalotra Toamasina faha-2. Hafa tokoa ny ataon’ny tanana, hafa ny lazain’ny vava, midika fa mpitari-bato vilam-bava ny mpitondra ambony eto amintsika.