Tafika amerikana aty Afrika – Mitsidika eto amintsika ny mpitarika eo anivon’ny fibaikoana

Isambilo

Hamafisina ny fiaraha-miasa amin’ny sehatry ny fandriampahalemana sy ny filaminana eo amin’i Etazonia sy i Madagasikara. Tanjona iombonana eo amin’ny governemanta amerikana sy ny hery fiarovana, ny governemanta ary ny fiaraha-monim-pirenena Malagasy ny ady amin’ny fandikan-dalàna iraisam-pirenena. Hanatrarana izany tanjona izany no nihaonan’ny Jeneraly Peter Bailey, Tale lefitra misahana ny paikady sy ny asa ary ny fandaharanasa eo anivon’ny Fibaikoana ny tafika amerikana mitoby aty Afrika (USAFRICOM), tamin’ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jeneraly Richard Rakotonirina, ny alakamisy teo.

Nodinihana tamin’izany ireo olana iombonan’i Madagasikara sy Etazonia eo amin’ny sehatry ny fandriampahalemana an-dranomasina, ny jono tsy ara-dalàna, tsy manara-drafitra ary tsy voatatitra, ny famarinana olona, ny halatra harena voajanahary, ary ny olana ateraky ny hain-tany sy ny rivo-doza. I Etazonia dia mijoro eo anilan’ny governemanta Malagasy toy ny mpirahalahy mianala, hiatrehana ireo ambana amin’ny filaminana sy ny fandrosoan’ny vahoaka Malagasy.

Nanolotra sakafo efa vonona mitentina 1 600 000 dolara ny US AFRICOM hiadiana amin’ny tsifanjariantsakafo any Atsimo. Ny USAFRICOM koa dia miara-miasa amin’i Madagasikara hanamafisana ny filaminana an-dranomasina, amin’ny alalan’ireo fanazarana isan-taona iarahana amina firenena maro toy ny CUTLASS EXPRESS. Etsy andaniny ny USAFRICOM dia nanome fianarana sy fiofanana miaramila antsoina hoe IMET, ho an’ny mpitarika sivily sy miaramila maherin’ny 160 hatramin’ny taona 2017 no mankaty ary tombanana ho 3 600 000 dolara ny sandan’izany. Etazonia dia manana fijery miabo ny amin’ny hitohizan’ny fiaraha-miasa sy fiaraha-miombon’antoka amin’i Madagasikara eo amin’ny sehatry ny fiarovana.