Antoko TIM ny faran’ny herinandro teo – Nihetsika Diégo, Fianarantsoa, Toamasina ary Antananarivo III

Isambilo

Ao anatin’ny fiatrehana ny raharaham-pirenena, sy fanetsehana hatrany ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), nisy ny hetsika nataon’ny mpitarika ny antoko, na ny tanoran’ny antoko tany Antsiranana, Fianarantsoa, Toamasina ary tao Antananarivo faha-3.

Tany Antsiranana, ny mpitarika ny Tanora, na ny Jeune TIM no nanao fivoriana tao amin’ny Tiko Place Kabaro tany Diego ny faran’ny herinandro teo. Tany Fianarantsoa, ny Tanora TIM ihany koa no nanao hetsika tao amin’ny Magro tany an-toerana. Tany Toamasina, ny mpitarika ny Dis-TIM Toamasina I, no nanatanteraka hetsika. Fihaonana sy fampiofanana momba ny leadership, na fahaiza-mitarika sy comité de vigilance, na komity ho amin’ny fahamailoana no natao tamin’izany, tamin’ireo tompon’andraikitry ny TIM ao amin’ny firaisana Anjoma Toamasina. Ny teto Antananarivo tao amin’ny Boriboritany faha-3 indray, namory ireo mpitarika ny Foko-TIM avy amin’ireo fokontany miisa 34 mandrafitra ity boriboritany ity, ny Dis-TIM Antananarivo faha-3.

Nifantohan’ireo hetsika ireo amin’ny ankapobeny ny fanetsehana hatrany ny fototry ny antoko, na redynamisation, ary indrindra ny fiomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena ho avy: mahakasika ny fahamailoana amin’ny fanaraha-maso ny lisi-pifidianana sy ny fanaovana karapanondrom-pirenena maimaimpoana faobe ataon’ny CENI sy ny fitondrana amin’izao fotoana. Ny tanjona amin’izany rehetra izany, hoy izy ireo dia ny hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana indray, eo amin’ny fitondrana amin’ny fifidianana ho avy.