Anosipatrana – Eo am-baravaran-dry Vazahabe ny fako

Stefa

Tsy afaky ny kaominina Antananarivo Renivohitra (CUA), tarihan’ny ben’ny tanàna Vazahabe Naina Andriantsitohaina indray, ny fako eto an-drenivohitra tato ho ato.

Toy izany ny zava-misy etsy Anosipatrana eo am-baravaran’ny biraon’ny kaominina mihitsy no ahitana fako be mivangongo tsy voaala, nanambara ny maro nandalo teo, fa eo am-barazavaran-dry Vazahabe toy izao aza tsy afany ny fako, mainka fa amin’ny toerana any ambadimbadika any, dia tsy voaalan’ny CUA mihitsy. Ankilan’izany anefa, mbola vao mainka hiha-haloto ny tanàna amin’izao fahavokaran’ny voankazo amin’izao fotoam-pahavaratra izao, toy ny manga, sy ny letchi,…

Efa eo am-pelatanan’ny kaominina ankehitriny ny fitantanana ny fanalana ny fako, nefa izao tsy vitany izao. Efa samy avy amin’ny fitondrana avokoa na ny filohampirenena, na ny ben’ny tanànan’ny renivohitra, nefa dia maloto tsy voadio ihany ny tanàna. Tena Vazahave voretra mihitsy hoy ny olona sendra tafaresaka tamin’ny gazety omaly, tamin’ny propagandy moa izy dia nanambara fa hatero any aminy ny fako raha tsy voaala, ka ahoana izany ny amin’izany fampanantenanao izay ry Ingahy Mera?