Olan’ny Jirama – Mifampihantsy Me Hanitra sy ny Ministra Andry Gôly

Niaina

Manoloana ny olana misy ao anivon’ny orinasa Jirama amin’izao fotoana, mifampihantsy amin’ny tambazotran-tserasera facebook amin’izao fotoana ny depiote Me Hanitra Razafimanantsoa sy ny Ministry ny angôvo Andry Ramaroson, na ny ministra Andry Gôly.

Nanambara tamin’izany ity ministra ity fa:”omeko tsiky kely aloha fa misy dia tena lagy be amiko mihitsy. Tezitra amiko hono Me Hanitra fa manao entretien ireo tale mpitantana ambony ao amin’ny Jirama aho. Izay vao tena azoko fa atahorany ho tratrako izany izay mercenaire ampiasainy higafy ahy ao. Misaotra Maitre namome sopapa a!” Ny valiny nataon’i Me Hanitra kosa mahakasika izany dia ny hoe:”ingahy Andry Gôly, minisitre chargé de la Jiramaty, mihainoa tsara Miara-Manonja rehefa avy eo! kouny an!”

Mikasika ity raharaha ity, tsy mahavaha olana ny fitondrana Rajoelina sy ity ministra ity, samy mahita ny rehetra, fa 3 taona sy tapany izay ny fitondrana Rajoelina no teo, tsy voavaha ny delestazy, tsy tanteraka ny fampanantenana izay nataony. Ny hita sy tsapa, tsy tanteraka ilay fampanantenana natao dia mitady ” fusible” vaovao ny fanjakana, ka any amin’ny mpiasa no anontonany ny rihatra. Ny ministra ihany koa moa ilaozany manao selfie mizara “lampadaires” mitety tanàna, tsy izany anefa no tena asany, misy mpivarotra tokony hisahana izany fitsinjarana izany, ny depiote sy ny fikambanana koa afaka manao an’izany. Iza no tsy mahalala, fa mamelona ireo karana manana gropy miasa ao ny Jirama ary efa tamin’ny tetezamita io fanapotehana io, raha nanana ambimbava ny Jirama ny taona 2008 tamin’ny fitondran’ny filoha Marc Ravalomanana, ary mbola fanapotehana koa ity fizarazarana fitantanana isaky ny ambaratonga ity.