Mpianatry ny Oniversite Antsiranana – Manome 72 ora ny ministera tompon’andraikitra

Radafy

Anisan’ny nanaitra ny teny nambaran’ireo solontenan’ny mpianatra avy any amin’ny Oniversiten’Antsiranana ny alakamisy lasa teo. Ny alahelo tsy ambara havana tokoa mbola zakan’ny tompony ihany, fa ny mitranga any amin’izy ireo angamba efa halohalika ny ranom-bary ary tsy mitsaha-miakatra izany ka handifotra. Izay no nahatonga ireo mpianatra hanao lakolosy fanairana sy indrindra fanomezana fe-potoana anatin’ny 72 ora nanomboka ny alakamisy teo, nangataka fanazavana sy valinteny avy amin’ny tomponandraikitry ny minisiteran’ny fampianarana ambony sy fikarohana siantifika, ny amin’ny saram-pisoratana anarana izay lasa nidangana, ny toeram-ponenana tsy tomombana, sns…

Nanaitra ny karazana fampitandremana nataon’izy ireo izay feno fahasahiana be tokoa tao anatin’izany. Hoan’ny mpitazana sy ny olom-pirenena maro mantsy, ny mpitarika feno fahasahiana toy ireny, hatrany amin’ny sendikà maro samihafa, dia nahita faisana tamin’ny nanaovan’ny manam-pahefana azy. Tao ny fandrahonana sy ramatahora, ny fisavana trano, ny fanasaziana amin’ny famindran-toerana amin’ny asa, sns… Nambaran’izy ireo, fa ho mafy ny hetsika hataony ao aoriana raha tsy mamaly ny minisitera, ary tsy Antsiranana ihany no hanao izany, fa ireo Oniversite manerana ny Nosy. Ho raharaha ny hitranga raha izany tokoa no hiseho. Irariana ny mba hamahan’ny tomponandraikitra ny olana ao anaty fotoana fohy mba tsy hiitatra. Indraindray koa anefa, fomba fiasan’ity fitondrana ankehitriny ity izay efa ambara mandrakariva eto amin’ny gazety, fa rovitra omby tondro tsy taitra, fa efa omby loha vao mikoropaka sy mody mandray fepetra eo, dia iny indray no idedahana avy eo. Mateti-pitranga teto amin’ny firenena izany tato anatin’ny efa-taona nitondran’izao fitondrana izao.

Etsy ankilan’izany, iaraha-mahalala, fa atao an-tsirambina ny tanora malagasy mandranto fianarana amin’ireny sekoly ambony ireny. Tsy hita mazava izay zotra politika faritan’ny fitondrana sy ny tanjona ho azy ireo, fa tefy maika hatrany no atao, rehefa amin’ny toe-javatra sy fotoana ihaonana ka ifaneraserana amin’izy ireo. Tsy misy politika matotra ho amin’ny fitsinjovana ny hoavin’ireo tanora malagasy hatramin’izao, ary tsy hita izay nofaritan’ny fanjakana ho tanjona tratrarina. Hadisoana na lesoka lehibe amin’ny fitantanam-pirenena izany satria tsy tokony ho adinoina, fa ireo tanora ireo no ambara mandrakariva ho antoky ny hoavin’ny firenena. Toa zary atao kitoatoa na an-tsirambina ihany anefa izany ary hisy fiantraikany amin’ny hoavin’ny firenena ihany koa.