EDITO 12 Novambra – Ataon’ny fitondrana Rajoelina sorona ny Malagasy 27 tapitrisa

Toa ataon’ny fitondrana Rajoelina sorona amin’izao fotoana ny Malagasy 27 tapitrisa. Ny nisafidianan’ny Malagasy nanameloka dia avy eo toa tsy manameloka indray ny Rosiana amin’ny ady any Ukraina, dia misy fiantraikany amin’ny fifandraisana amin’ny any ivelany ho antsika, indrindra ny momba ny resaka famatsiam-bola. Ny fisafidianan’ny fitondrana ny Rosiana sy ny fanafarana fitaovam-piadiana any, na tiana na tsy tiana dia misy fiantraikany amin’ny tandrefana, izay tena mpamatsy vola be ho an’ny fampandrosoana sy ny sosialy aty amin’ny tany mahantra toa antsika eto Madagasikara. Naleon’ny fitondrana Rajoelina tokoa nisafidy ny hikarakara ny fitaovana antitra an’ny tafika izay tany amin’ny Rosiana, anamafisany ny fahefany, toy izay hitsinjo ny loharanombola enti-miady amin’ny fahantrana avy amin’ny alalan’ireo famatsiam-bola samihafa mbola ilain’ny be sy ny maro amin’izao fahantrana lalina misy eto amin’ny firenena izao. Andanin’izany anefa, ny sisin-tany aza tsy voaaro, efa firifiry izay harem-pirenena tsy hita nanjavonana izay, noho ny sisintany mibanaka araka ny fitenin-jatovo azy.

Ny fandriampahalemana na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra tsy voafehy, maro no efa maty vokatr’izay tsy fandriampahalemana izay.
Ireto mpitandro filaminana misy no nitifitra sy namono vahoaka. Tsy ady atrehina tsy fahavalo manafika, fa dia natevenina ny fitaovan’ny foloalindahy, safidy diso amin’ny fitantanam-pirenena izany. Vokatry ny tsy fahaiza-mitantana, sy ny diplaomasia tsy mandeha amin’ny laoniny izay, hiala eto amintsika ny Nôrveziana, ny Amerikana miahiahy, ireo mpiara-miombon’antoka mampitahotra tsy hamatsy vola ny fifidianana ho avy eto amintsika. Ny famatsiam-bola avy any ivelany, nihantona amin’ny ankapobeny ny volana septambra lasa teo. Dia mbola milaza ihany izao fitondrana izao, fa tsara toerana hono, satria nahavita kianja sy sekoly manarapenitra, ny ankamaroan’ny vahoaka anefa tena ao anaty fahantrana, tsy ny any atsimon’ny Nosy ihany, tsy ny any ambanivohitra ihany, fa an-drenivohitra koa ary saika manerana ny Nosy izany tsy fahampian’ny am-pelatanana izany ho an’ny maro.