NY TENA MAIKA AMINAY VAHOAKA MADINIKA

Aminay ny tena maika dia izao, izao ihany:
Ny hanananay sakafo fa tsy handry fotsy intsony.
Vary iray vilia dia ampy sy izay laoka ho amin’izany,
Tsy ilana aingitraingitra hanokafana vavony.

Aminay ny tena maika dia izao, izao ihany:
Ny mba handry fahalemana sy tsy hanam-panahiana,
Ny hamongorana dahalo sy ny asa fandrobany,
Ka hanananay indray ny zotom-po sy fifaliana!

Aminay ny tena maika dia izao, izao ihany:
Ny hiverenanay hiasa fa tsy hidonana-poana.
Adidinao rafanjakana ny hijerena ny amin’izany,
F’aza dia ny hoerahoera no andaniana ny fotoana!

Aminay ny tena maika dia izao, izao ihany:
Tsy handoavam-bola intsony ny hopitalim-panjakana.
Ireo no tena hetahetanay vahoaka ety ambany
Ka raha toa re tsy ho vita: apetraho ny fialana!

Tsy filam-boatsiary akory no hitenenana an’izany
Raha mahitsy ny fiteny fa tsy asiana olakolaka.
Hifarana ny taom-piasana, folo volana any ho any,
K’aoka tsy ho lany andro mbola hanabe takolaka!

DADAN’i ZINA (09-11-22)