Tsy mitsahatra manapotika firenena ny fitondrana rajoelina

Andry Tsiavalona

Tsy mitsahatra ny manapotika ity Firenena ity ny fitondrana Rajoelina amin’izao fotoana izao, nandritra izay efatra taona naha teo azy izay. Dimy taona teo amin’ny fitantanana ny tetezamita Rajoelina Andry dia potika daholo ny fotodrafitrasa nataon’ny filoha naongany Ravalomanana Marc, ny lalana vita tara efa ho iray alina kilometatra no tena nisongadina tamin’izany.

Efa nezahina ny nampidirana an-tsekoly ny zanaka malagasy ary namporisihana tamin’ny famokaram-bary ny tantsaha, ka nisy ny fifaninanana natao namporisihana ny tantsaha bebe kokoa. Fito isan-jato ny fiakaran’ny harinkarena ny taona 2008. Amin’izao fotoana izao dia tsy manan-tsaina afa tsy ny fanapotehana ny fiainan’ny tantsaha Malagasy ny mpitondra, satria na “dam” (tohadrano) iray aza tsy nisy voatsangana ary etsy an-kilany dia manafatra vary avy any ivelany ny fitondrana, izay tsy azo lavina fa famelomana ny tantsaha any amin’ny firenen-kafa, fa manapotika ny eto an-toerana.

Nisy ny orinasa Malagasy mpanafatra entana avy any ivelany kanefa dia nanangana ny SPM ny fitondrana izay manao izany, ka toy ny valala voatango ireo orinasa ireo, very fanahy mbola velona. Nopotehin’ny fitondrana Rajoelina tamin’izany koa ny fitsinjaram-pahefana, ka lasa olom-boatendry no nitantanana ny fokontany ary niova ho governora ny lehiben’ny faritra. Efa niharina kely ny sehatra ny toekarena satria niakatra 5,4 % ny tahan’ny harinkarena anatiny tamin’ny fifaranan’ny fepotoana nitondran-Rajaonarimampianina Hery. Maro ireo fifanarahana nanamboaran-dàlana, ka izay vita soa aman-tsara dia niravaka ny vanginy Rajoelina Andry tamin’ny nitokanana azy ireny. Efatra taona nitondrana ny filohan’ny Repoblika IV-2 dia tsy nisy afa tsy miiba 7,2 isanjato sisa ny tahan’ny harinkarena faobe.

Rehefa halalinina ny toe-draharaha eto amin’ny Firenena dia tsy misy afa tsy fanapotehana no hita sy tsapa. Potika tanteraka ny orinasam-pirenena Air Madagascar, ka voaroaka ny ankamaroan’ny mpiasa ary natsangana antsokosoko ny Madagascar Airlines izay tsy ara-dalàna ny fitsanganany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Potehina ihany koa ny orinasam-pirenena Jirama, ka mividy rianaratra amin’ny karana sisa no hany azony atao. Nirehitra ny masinina mpamorona rianaratra any Andekaleka dia nolazaina fa nisy nanao sabotazy, ka tsy hita hatramin’ity ny androany ny 400 MW ambonin’ny efa vokarina tao anatin’ny dimy taona. Ny orinasam-pirenena Secren mpanamboatra sambo ao Antsiranana dia efa ho herintaona no tsy nandray karama ny mpiasa, ka rehefa tratra izany tanjona izany dia nanaovana “appel d’offre” momba ny fitantanana azy amin’izao fotoana izao.

Ankalazain’izao fitondrana izao ny fitadiavana ny fomba rehetra hanamaivanana ny fitohanan’ny fiara eto an-drenivohitra kanefa dia hanafatra “bus modernes” miisa arivo ry razeo. Midika izany fa ho potehina ireo taxi be eto an-drenivohitra, fa hiroborobo fatratra tokoa ny bizinesin’ny ao amin’ny fitondrana ao. Tsy azo lavina fa misy kopaka isasahana ity fanafarana “bus” ity, satria dia kopi Kole tamin’ny Fibata sy Fima tamin’ny fotoan’androny izao. Potehin’izao fitondrana izao ny orinasam-pirenena mpamokatra siramamy toy ny Sirama sy Siranala dia aleony manafatra izany any ivelany. Tsy naloa ny karaman’ireo orinasa nanamboatra làlana, satria lazaina fa mbola hanaovana fitsirihana (audit), hany ka potika avokoa ny làlam-pirenena rehetra dia hampidirina indray ny orinasa vahiny hanao ny làlana migodàna mampitohy ny Renivohitra amin’i Toamasina. Velomina ny orinasa avy any ivelany, fa potehina kosa ireo orinasa eto an-toerana, satria ao anatin’ny “business plan”-n’ny eo amin’ny fitondrana izany. Maty mosary ny vahoaka maro, tsy any amin’ny Faritra na any ambany ravinkazo ihany, fa hatraty an-tànan-dehibe koa. Ny eo amin’ny fitondrana anefa, etsy an-kilany, dia manao fety be sy mihinana hanim-pito loha isaky ny mihetsika. Manjaka ny tsy fandriampahalemana, ka manafika tanàna ny dahalo mangalatra ny biby fiompin’ny mponina. Manendaka sy manafika toeram-pivarotana ny jiolahy kanefa dia manana mpiaro: zandary, polisy, miaramila manao kortezy ny ao amin’ny fitondrana.

Raha fintinina dia fanapotehana ny Malagasy sy ireo orinasa malagasy ary ny toekaren’ny Firenena izao fitondrana izao, hany ka marary tanteraka ity Nosy ity ary toa malemy tsy afa-manohitra ny mponina. Misy farany anefa ny zavatra rehetra ary misy ny manana ny herin-tsaina, ny fahaizana sy ny herijika ary ny fomba entina mitsabo izao valanaretina manapotika ny firenena izao.