Taksi moto – Mampianatra ny olona tsy hanara-dalàna i Hajo

Stefa

Nitaingina taksi-moto omaly ny filohan’ny antoko MMM: Malagasy Miara-Miainga, Hajo Andrianainarivelo, izany fihetsika izany raha ny fahitan’ny maro azy dia tsy fanarahan-dalàna, satria tsy nanao aroloha izy, ny taksi-moto ihany koa dia azo lazaina ho mbola tsy tena ara-dalàna eo imason’ny rehetra, na efa nahazo fankatoavana tao anivon’ny filankevitry ny tanànan’Antananarivo aza.

Nanambara ity mpanao politika ity tao amin’ny pejy facebook-ny, fa tsy maintsy nandeha izany taksi-moto izany ny tenany, satria tratra aoriana tamin’ny fotoana izay tokony ho vonjeny hono, ka tsy maintsy nandray an’ity karazam-pitaterana ity, voalaza ihany koa fa kely loatra ny aro loha nomena azy, ka tsy tafiditra, izay no antony tsy nanaovany izany aroloha izany, izay tena tsy fanarahan-dalàna.

Olona tokony ho fitaratra no mampiana-dratsy olona tsy hanara-dalàna. Misy aza moa ireo naneho hevitra momba izay fihetsika izay, fa tena tsy mendrika ity mpanao politika ity, mikasa ny hirotsaka ho fidiana ho filoham-pirenena, nefa mampianatra ny olona tsy hanaraka ny fepetra misy sahady. Midika koa izany, fa miray tendro tokoa ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny filohan’ny MMM Hajo Andrianainarivelo: ny ben’ny tanàna mankasitraka ny iasan’ny taksi moto eto Antananarivo, i Hajo koa nitaingina ity fitaterana kodiaran-droa ity, ka toa manamarina ny ahiahy nisy izany amin’ny fiarahan’izy ireo amin’ny sehatry ny politika.