Tsy fandehanan-draharaha eto – Niteny ihany koa ny mpanakanto tao aorian’ny manam-pahaizana

Isambilo

Efa nambarantsika tamin’ny laharan’ny gazety Ny Valosoa Vaovao « farany teo, fa mampiteny ireo minia mangina mihitsy ny zava-misy eto amin’ny firenena amin’izao fotoana. Tao aorian’ny fanehoan-kevitr’ireo manam-pahaizana, momba ny tsy fetezan’ny fitantanan-draharaha ataon’izao fitondrana Rajoelina, nataon’ny Profesora Jonah Ratsimbazafy, sy ny Profesora Narison Stephan, naneho hevitra koa ny mapanakato Nina’s.

Ny azy indray dia mahakasika ny tsy fandriampahalemana miseho lany sy tsy voafehy eto amin’ny firenena, no nitondrany fanehoan-kevitra sy taratasy misokatra ho an’ny filoha Rajoelina : ”trop loatra ity tsy fandriampahalemana eto Madagasikara ity, tsy misy dikany mihitsy ilay mamono olona. Fitaintainana lava no iainana, ny fahasahiranana etsy an-daniny. Nefa tsy mba misy tohiny mihitsy ny niafaran’izay nahavanin-doza… Zaza tsy manan-tsiny voaolana, halatra maso, fanendahana miaro famonoana, ny kere moa tsy lazaina intsony,… sns.

Aoka isika ho mailo foana! Andriamatoa filoha a, mba hamafiso sy jereo akaiky re. Azafady, azafady. Ianareo sy ny mpanara- dia anao rehetra toa miaina finaritra ery anefa…”

Tena mampiteny ny maona marina ny zava-misy eto amintsika ankehitriny!