Mpanjono any Betania Morondava – Mitaraina noho ny ataon’ireo mpanjono sinoa tsy ara-dalàna

Rajepa

Mitaraina ireo mpanjono madinika any Betania Morondava faritra Menabe, noho ny fizahozahoan’ireo mpanjono vahiny, indrindra fa ny sinoa. Misedra olana ireo Vezo mpanjono ao Betania, Morondava satria dia misy mpanjono sinoa izay tsy manara-dalàna manjono ao amin’ny fari-dranomasin’i Betania, ka mangorona ny hazan-drano rehetra amin’ny fampiasana ireo harato goavambe, izay tsy manara-dalàna, ka mitaky ny fampitsaharana tsy misy hatak’andro an’ireo sinoa mpihaza ao anatin’ny ranomasin’i Betania ireo mponina amin’iny morontsiraka iny.

Nisy ny fidinana ifotony izay nataon’ny fitaleavam-paritry ny jono sy ny toe-karena manga ato amin’ny faritra Menabe, izay niaraka tamin’ny mpanao gazety teto Morondava sy ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena avy ao amin’ny FIVE MENABE, nahitana ny Consortium des Jeunes Mahery, Observatoire de la Jeunesse sy ny CEU Menabe ary ny avy ao amin’ny tetikasa OBS, ka nitafa tamin’ireo mpanjono, izao no natao dia mba hiara-hijery ny fototry ny olana, ka hitadiavana vahaolana miaraka. Nafana dia nafana ny adihevitra, izay nandraisan’ny rehetra anjara, ary nalalaka tsara ny fanehoan-kevitra, nivoitra nandritr’izany, fa tsy marina ny feo niely izay nandeha tamin’ny radio vitsivitsy teto Morondava, fa nandray vola tamin’ireo sinoa ny talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga ato Menabe ary efa niezaka nitatitra ny zava- misy amin’ny tompon’andraikitra rehetra ato Menabe izy ireo, saingy tsy nahazo valiny nahafa-po.

Raha nanazava kosa ny talem-paritry ny ny jono sy ny toekarena manga dia nanambara, fa efa nandray andraikitra ary efa nisy ny dingana ny amin’ny fametrahana paikady ho amin’ny fiarovana ny fari-dranomasina, izay ihazan’ny mpanjono madinika, ary nohamafisiny hatrany, fa tsy fahefan’ny tompon’andraikitra aty amin’ny faritra mihitsy ny fanajanonana tsy misy hatak’andro an’ireo sinoa mpanjono ireo. Nilaza ny mpanaramaso ny jono ato Menabe, fa dia maro ny olana satria dia olona iray ihany no mpanaramaso ny jono ato Menabe ary ny fitaovana dia misy, saingy tsy ampy ny mpiasa, ka ny sambo izay naterin’ny minisitry ny jono dia mipetraka fotsiny satria tsy misy mpitondra; ka hatreto aloha dia ny SOPEMO ihany no ara-dalàna sy mahazo mitrandraka ato Menabe, fa ireo Sinoa izany dia tsy ara-dalàna. Nanamafy ihany koa ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena, ny amin’ny hisian’ny serasera mirindra eo amin’ny fitaleavam-paritra sy ny mpihaza, mba hahafahana mifampizara vaovao sy mifampresaka anaty fifanajana, raha sendra misy tranga tsy araka ny tokony ho izy, ary manoloana ny tranga iray ity dia namafisina araka izany, fa ilaina ny fijerena hatrany ny lalàna mahakasika an’izay tranga misy. Na dia teo aza ny adi-hevitra somary nafana dia nilamina ihany ny raharaha ary nahita ny marimaritra iraisana ny rehetra, ka tapaka fa ho tohizana ny fametrahana ny paikady ho fiarovana ny fari-dranomasina izay hihazan’ireo mpihaza madinika dia ny fanaovana izany ho faritra harovana ary hanao tatitra miakatra any amin’ny ambaratonga ambony ny talem-paritra.

Raha ny fototry ny olana no tsorina dia tsy fisian’ny fifampiresahana sy fifanatonana, koa entanina hatrany isika olom-pirenena, fa ny antompisian’ireny biraom-panjakana ireny dia natao hatonin-tsika, fa tsy sanatria akory natao ambenan’ireo mpiasa ao, ka aoka isika tsy hisalasala hanatona ireny birao ireny rehefa misy olana sy fanazavana tiana ho fantatra ary raha mandefa fitarainana any koa isika dia zon-tsika, no manatona any manotany ny tohiny. Isan’ny nampitaraina ny vahoakan’i Betania koa ny solombavambahoaka izay efa nitarainan’izy ireo ary nandray ny fitarainany, saingy rehefa ao amin’ny fivoriana amin’ny Antenimierampirenena ny tenany dia tsy mitondra ny tarainany vahoaka nifidy azy, fa ny fitarainan’ny mpanakanto namany no manahirana azy, hoy ireo solontenam-pokonolona nandray fitenena. Tao aorian’izay, na dia efa hariva aza ny andro dia tsy nandalo fotsiny tao amin’ny orin’asa mpamokatra sambo sy vedette ny talemparitra, ka fantatry ny rehetra fa tsy misy fifandraisana amin’ity orin’asa ity ireo sinoa mpihaza sy mpividy vokatra eto Morondava.