Jeune TIM Diego – Hivory ao amin’ny TIKO Place Kabaro ny alahady ho avy izao

Isambilo

Anisan’ny mandray anjara amin’ny fanetsehana ny fototry ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM), ny tanora, na ny Jeune TIM Diego any amin’ny faritra Diana. Mamelo-maso ny antoko ihany koa izy ireo, amin’izao volana maromaro mialohan’ny fifidianana ho filohampirenena ho avy eto amintsika izao. Ankoatra izany, manao asa sosialy sy fampandrosoana any amin’ny renivohitry ny faritra Diana ihany koa ireto tanora TIM any an-toerana ireto, toy ny fandraisana anjara tamin’ny fanadiovana tanàna, ny fambolen-kazo ho fiarovana ny tontolo iainana any an-toerana. Ho fanamafisana hatrany ny fifandraisana eo amin’ireo mpikambana, sy ho fiantsoana mpikambana vaovao, hivory ao amin’ny Tiko Place Kabaro any Antsiranana ny Jeune TIM Diego ny alahady tolakandro ho avy izao, hanomboka amin’ny 3 ora. Araka ny nambaran’ny mpikarakara, maro ny laha-dinika amin’izany, indrindra ny mahakasika ny raharaham-pirenena amin’ny ankapobeny amin’izao fotoana, sy ny fampitana ny toromarika avy amin’ny antoko TIM foibe.