EDITO 10 Novambra – Fikarakarana fifidianana – Hahapotika ny firenena ny ahiahy mitoetra

Sôh’son

Hiafara aiza ny ahiahy tsy ihavanana eo amin’ny fanomanana sy ny fikarakarana fifidianana? Samy milaza sy maneho ny heviny sy ny fijeriny momba izany avokoa ny ankamaroan’ireo hery velona eto amin’ny firenena, indrindra ny avy amin’ny mpanohitra, ary eo ihany koa ny firaisamonim-pirenena. Nahariharin’izy ireo ny lesoka hatrany am-panombohana amin’ny fanomanana, ka nasongadiny ny eo amin’ny fanisana ny mpifidy isam-pokontany. Raha ny hita eny ifotony anefa hatreto, dia tsy misy ny ezaka na finiavana amin’ny fanovàna ny fomba fiasa amin’izany. Ny tsikaritra, miziriziry mitrifana miroso hatrany mankany amin’izay toe-javamisy be mpanakiana izay ny fitondrana, sy ireo rantsamangaika rehetra mifandray amin’izany fifidianana izany. Ny fikaonandoham-pirenena nanaovan’ireo avy amin’ny fanoherana sy ny firaisamonim-pirenena aza, zary antso an’efitra na niantefa tamin’ny bemarenina, ka tsy nasian’ny fitondrana vidiny. Inona no hiafaran’izany tsy firaharahiana ny hafa izany sy ny fiheverana mihitsy izany ho fitadiavan-tseza fotsiny ihany, raha ny fahitan’ny eo anivon’ny fitondrana azy?

Ho an’ny mpandinika sy mpamakafaka, dia hampanahy ny hoavin’ny firenena manoloana izao zava-misy amin’ny fihetsiky ny fitondrana, sy ireo rantsamangaika samihafa mifandray amin’ny fifidianana izao. Tsy hahasoa ny firenena izao toe-javatra izao. Ho ankinina amin’iza ny tompon’andraikitra? Tokony hipetraka mazava tsara ho voarakitra an-tsoratra ny olona miziriziry amin’ny heviny toy izao, fa tsy mba mihevitra ny hafa. Iaraha-mahalala tsara mantsy, fa ny nampandroso ny firenen-kafa maro samihafa nandalo olana, dia nisoroka ny tsy hiverenan’ny olana nitranga tao aminy ary samy nampirina ny hambopony avy ary nifanatona nidinika. Ohatra mivaingana amin’izany ny tao Rwanda, izay nisian’ny adim-poko faratampony kanefa efa nilaozany ela ny fototry ny disadisam-piarahamonina tao aminy. Vao nanome lesona ny firenena afrikana maro amin’ny firaisan-tsaina izay hahasoa ny firenena ny tao Côte d’Ivoire, fa zary volon-gisa tsy mandray rano izany aty Madagasikara. Midehaka anefa sy manao angoan-tenda ery fa ho hatao môdely ho an’i Afrika sy aty amin’ny ranomasimbe indiana ity firenena ity.

Ny ahiana hitranga anefa dia hifanohitra amin’izay, fa na ny firenena izay nambara ho ampiana aza izao, ho ampindramina vola, handroso lavitra noho i Madagasikara. Efa manomboka miseho izany tato ho ato. Ka ilay fampandrosoana eto amin’ny firenena mandrorona be ihany, satria noho ny fitondrana miseho hahavita tena irery, ary manilika ny hafa indrindra ireo tsy mitovy hevitra na fijery aminy. Dia izao efa iainan’ny sarambabem-bahoaka amin’ny fahasahiranana sy fahantrana izao ny vokany, ary mbola hiha-mafy aza izany miditra amin’izao fiafaran’ny taona izao.