Raharaham-pirenena – Fitondrana lany andro mamorona zavatra atao môdely

Sôh’son

Tsy amin’ izao fitondrana Rajoelina izao velively no fotoana hampisandratra an’i Madagasikara. Manaporofo izany ny fahitana ny fomba fiasany, na tamin’ny andron’ny tetezamita, na indrindra amin’izao izy eo amin’ny fitondrana efa efa-taona izao. Resaka fe resaka ka atao ny amin’ny drafitra fisandratan’i Madagasikara, fa io tsy vitan’ny vava sy kajikajy ambony latabatra miampy ny fanofinofisana fotsiny eo. “Apetraho amin’ny tany ny tongotra aloha”, hoy ny profesora Jonah Ratsimbazafy, manam-pahaizana manokana ambony momba ny varika vao tsy ela izay. Misy ihany koa ny miteny ny olom-pirenena hafa hoe: ny tokonana tsy afaka ka ny rindrina no tadiavina hianihana. Efa lesona be izany ho an’ny fitondrana raha toa ka manan-tsofina entina mihaino ihany. Ny mampanahy ny olom-pirenena maro, dia amin’ny fahadisoana amin’ny zotran-dalana hitondrana ny firenena sy ny ho endrika hita, na ankehitriny na aoriana kely, raha araka ny tetikasan’ny fitondrana. Ho tsara ivelany fotsiny, fa ny ao anatiny hanahirana ny maso ny hahita azy. Mety hamirapiratra ivelany fotsiny, fa ny fiainan’ny sarambabem-bahoaka anaty haizina tanteraka. Ratsy tsotra izao izany sary izany ary tsy mendrika ny firenena sy vahoaka malagasy.

Efa ratsy laza ihany ny firenena noho ny fanapahan-kevitra sasantsasany, raisin’izao fitondrana izao hatrany tamin’ireo sehatra isan-karazany. Misy aza ny sasany ihomehezan’ny any ivelany indrindra ireo firenena afrikana. Anisan’izany ny filazana fa i Madagasikara hanao ho firenena môdely aty Afrika sy indrindra aty amin’ny ranomasimbe Indiana; hanondrana vary sy vokatra hafa, sns… Dia izao indray koa mamorona vaovao ka milaza ny amin’ny karibaona manga. Hatreto aloha tsy mbola nisy na iray aza tamin’ny nambara no tanteraka mazava niharihary sy nampiaiky ny firenen-drehetra maneran-tany, fa tena môdely amin’izany i Madagasikara. Moa tsy lasa henatra ho an’ny firenena ve izany? Ny hanahirana dia homen’ny olona toerana tsy mendrika azy intsony ny Malagasy any aoriana kely, sanatria ho very hasina, hihatsaram-belatsihy fotsiny noho ny lafiny diplômasia. Asa raha mitady amboara amin’ny famoronana sehatra atao môdely toy izany ihany koa izao fitondrana izao, toy ilay resaka indostria niteraka resa-be teto amin’ny firenena? Te hiseho hiavaka amin’ny rehetra kanefa toa ilaozan’ny rehetra lavitra amin’ny sehatra fampandrosoana, sy fanatsarana ny fiainam-bahoaka. Firifiry akory ny olam-bahoaka niainana ela izay, fa tsy hita izay fivahàny hatreto. Zavatra hafa hatrany no imokomokoana atao ho familian-dalana ny saim-bahoaka tsy hifantoka amin’ny fahoriana mianjady aminy.