Tetikasa Tanamasoandro – Mbola baraingo hatreto ny fananganana azy

Rajo

Hatreto dia mbola manamafy hatrany ny tsy faneken’izy ireo, ny fanomezana ny taniny ho an’ny fitondram-panjakana, hananganana ny tetikasa Tanamasoandro ireo mponina eny Tsimahabeomby Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo faritr’Itasy. Sady tsy amidy no tsy omenay ny taninay hoy izy ireo nandritra ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety.

Ny tanin’ny fitondram-panjakana mirefy 342 hektara aza tsy mbola misy na inona na inona mijoro hatreto, nefa isan’andro dia dradradradraina foana ny tokony hampiasana ity tany ity hananganana ny tetikasa Tanamasoandro. 980 hektara anefa no ilain’ny fanjakana hananganana ity tetik’asa ity.

Mbola baraingo toy izay nitranga teny Ambohitrimanjaka indray izany ity resaka tany, hanorenana ny tetikasa Tanamasoandro eny Imerintsiatosika ity hatreto.